Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
ESTHER
1 2 3 4 5 6 7 8 9 10
Prev Up Next
Chapter 10
Esth Mg1865 10:1  Ary Ahasoerosy mpanjaka nampandoa hetra ny tany sy ny nosin-dranomasina.
Esth Mg1865 10:2  Ary izay rehetra nataony araka ny fahefany sy ny heriny mbamin’ ny filazana ny fahalehibiazan’ i Mordekay, araka izay nanandratan’ ny mpanjaka azy, tsy efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ ny mpanjakan’ i Media sy Persia va izany?
Esth Mg1865 10:3  Fa Mordekay Jiosy no nanarakaraka an’ i Ahasoerosy mpanjaka sady nalaza tamin’ ny Jiosy ka nankasitrahan’ ny rahalahiny maro, satria nitady hihasoa ny fireneny izy sady nilaza fiadanana tamin’ ny olona rehetra iray firazanana aminy.