JOEL
Chapter 3
Joel | Mg1865 | 3:1 | Ary rehefa afaka izany, dia handatsaka ny Fanahiko amin’ ny nofo rehetra Aho; Dia haminany ny zanakalahinareo sy ny zanakavavinareo, ny lahiantitrareo hanonofy, ary ny zatovonareo hahita fahitana; | |
Joel | Mg1865 | 3:2 | Ary na dia ny mpanompolahy sy ny mpanompovavy aza dia handatsahako ny Fanahiko amin’ izany andro izany. | |
Joel | Mg1865 | 3:3 | Ary hanisy fahagagana eny amin’ ny lanitra sy etỳ amin’ ny tany Aho, dia rà sy afo ary setroka mitankosina. | |
Joel | Mg1865 | 3:4 | Ny masoandro hampodina ho aizina, ary ny volana ho rà, alohan’ ny hahatongavan’ ny andron’ i Jehovah, izay sady lehibe no mahatsiravina. | |