ESTHER
Chapter 3
Esth | Mg1865 | 3:1 | Rehefa afaka izany zavatra izany, dia nasandratr’ i Ahasoerosy mpanjaka Hamana, zanak’ i Hamedota Agagita, ka nomeny voninahitra, ary ny sezany nataony teo alohan’ ny an’ ny mpanapaka rehetra izay teo aminy. | |
Esth | Mg1865 | 3:2 | Ary ny mpanompon’ ny mpanjaka rehetra izay teo am-bavahadin’ ny mpanjaka dia nandohalika sy niankohoka teo anatrehan’ i Hamana; fa izany no didin’ ny mpanjaka. Fa Mordekay kosa tsy mba nety nandohalika na niankohoka. | |
Esth | Mg1865 | 3:3 | Dia hoy ny mpanompon’ ny mpanjaka izay teo am-bavahadin’ ny mpanjaka tamin’ i Mordekay: Nahoana ianao no mandika ny didin’ ny mpanjaka? | |
Esth | Mg1865 | 3:4 | Nefa na dia niteny taminy isan’ andro aza ireo, dia tsy mba nihaino azy izy, ka nolazain’ Ireo tamin’ i Hamana, mba hizahany na haharitra amin’ ny teniny ihany Mordekay, na tsia; fa efa nilaza tamin’ ireo izy fa Jiosy. | |
Esth | Mg1865 | 3:5 | Ary rehefa hitan’ i Hamana fa Mordekay tsy mba nety nandohalika na niankohoka teo anatrehany, dia tezitra loatra izy. | |
Esth | Mg1865 | 3:6 | Ary nataon’ i Hamana ho zavatra kely loatra ny haninji-tanana hamely an’ i Mordekay irery ihany (fa efa nambara azy ny firenen’ i Mordekay), ka dia nitady handringana ny Jiosy rehetra eran’ ny fanjakan’ i Ahasoerosy koa izy, dia ny firenen’ i Mordekay. | |
Esth | Mg1865 | 3:7 | Tamin’ ny volana voalohany (volana Nisana izany) tamin’ ny taona faharoa ambin’ ny folo nanjakan’ i Ahasoerosy mpanjaka, nisy nanao pora (filokana izany) teo anatrehan’ i Hamana ny amin’ ny isan’ andro isan’ andro sy ny isam-bolana isam-bolana hatramin’ ny volana faharoa ambin’ ny folo (volana Adara izany) | |
Esth | Mg1865 | 3:8 | Ary hoy Hamana tamin’ i Ahasoerosy mpanjaka: tsisy firenena iray efa miely sy mihahaka eny amin’ ny firenena samy hafa isan-tokony eran’ ny fanjakanao; ary hafa lalàna noho ny firenena rehetra ireny sady tsy mba mankatò ny lalàn’ ny mpanjaka; ary tsy mendrika amin’ ny mpanjaka ny hamela azy ho eny; | |
Esth | Mg1865 | 3:9 | koa raha sitraky ny mpanjaka, aoka hosoratana mba haringana ireny, dia handoa talenta volafotsy iray alina ho eo an-tànan’ ny mpanao raharaha aho ho entina ao an-trano firaketan’ ny mpanjaka. | |
Esth | Mg1865 | 3:10 | Dia nesorin’ ny mpanjaka tamin’ ny tànany ny peratra fanombohany ka nomeny an’ i Hamana, zanak’ i Hamedota Agagita, fahavalon’ ny Jiosy. | |
Esth | Mg1865 | 3:11 | Ary hoy ny mpanjaka tamin’ i Hamana: Homena anao ihany ny volafotsy sy ny olona koa hanaovanao azy araka izay sitrakao. | |
Esth | Mg1865 | 3:12 | Dia nantsoina ny mpanoratry ny mpanjaka tamin’ ny andro fahatelo ambin’ ny folo tamin’ ny volana voalohany, ka nosoratana izany araka izay rehetra nandidian’ i Hamana ho an’ ny solo-mpanjaka sy ny governora tamin’ ny isan-tokony ary ny mpanapaka ny firenena rehetra, ho any amin’ ny isan-tokony araka ny sorany avy, ary ho amin’ ny isam-pirenena araka ny fiteniny avy; dia tamin’ ny anaran’ i Ahasoerosy mpanjaka no nanoratany azy ka notombohiny tamin’ ny peratra fanombohan’ ny mpanjaka. | |
Esth | Mg1865 | 3:13 | Ary ny taratasy dia nampitondrainy ny tsimandoa ho any amin’ ny isan-tokony amin’ ny fanjakan’ ny mpanjaka mba hampandringana sy hampamono ary hampandripaka ny Jiosy rehetra, na tanora na antitra hatramin’ ny zaza amim-behivavy aza, amin’ ny indray andro monja, dia tamin’ ny andro fahatelo ambin’ ny folo tamin’ ny volana faharoa ambin’ ny folo (volana Adara izany), ary handroba ny fananany. | |
Esth | Mg1865 | 3:14 | Ny kopen’ ny teny izay natao didy ho amin’ ny isan-tokony amin’ ny fanjakana dia nisokatra mba ho hitan’ ny olona rehetra hampiomana azy ho amin’ izany andro izany. | |