HOSEA
Chapter 3
Hose | Mg1865 | 3:1 | Dia hoy Jehovah tamiko: Mandehana indray, tiava vehivavy izay tian’ ny vadiny nefa mijangajanga, dia tahaka ny fitiavan’ i Jehovah ny Zanak’ Isiraely, nefa ireo kosa dia mihodìna ho amin’ izay andriamani-kafa sady tia ampempam-boaloboka. | |
Hose | Mg1865 | 3:2 | Ka dia novidiko sekely volafotsy dimy ambin’ ny folo sy vary hordea homera iray sy tapany izy. | |
Hose | Mg1865 | 3:3 | Ary hoy izaho taminy: Andro maro no hitoeranao miandry ahy; fa tsy havela hijangajanga na hanambady olon-kafa ianao; ary izaho koa dia ho toy izany aminao. | |
Hose | Mg1865 | 3:4 | Fa andro maro no hitoeran’ ny Zanak’ Isiraely tsy hanana mpanjaka, na mpanapaka, na fanatitra, na tsangam-bato, na efoda, na terafima. | |