Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
HOSEA
1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12 13 14
Prev Up Next
Chapter 4
Hose Mg1865 4:1  Mihainoa ny tenin’ i Jehovah, ianareo Zanak’ Isiraely! Fa Jehovah manana ady amin’ ny mponina amin’ ny tany, satria tsy misy fahamarinana, na fitiavana, na fahalalana an’ Andriamanitra eo amin’ ny tany,
Hose Mg1865 4:2  Fa fianianana sy lainga sy vonoana sy halatra sy fijangajangana kosa, eny, manao an-keriny izy ka mifanontona ny fandatsahan-drà.
Hose Mg1865 4:3  Ary noho izany dia mitomany ny tany ary reraka izay rehetra mitoetra ao aminy, dia ny bibi-dia sy ny voro-manidina; Eny, na dia ny hazandrano any anaty ranomasina aza dia ringana koa.
Hose Mg1865 4:4  Kanefa aza misy mandahatra, na mananatra; Fa ny oloko dia efa tahaka ny mifanditra amin’ ny mpisorona.
Hose Mg1865 4:5  Ka dia ho tafintohina antoandro ianao, ary ny mpaminany hiara-tafintohina aminao koa amin’ ny alina, ary hovonoiko ny reninao.
Hose Mg1865 4:6  Ringana ny oloko noho ny tsi-fisian’ ny fahalalana. Satria ianao efa nandà ny fahalalana, dia mba holaviko kosa tsy ho mpisoroko intsony; Ary efa nanadino ny lalan’ Andriamanitrao ianao, ka dia mba hohadinoiko kosa ny zanakao.
Hose Mg1865 4:7  Araka ny nitomboany no nanotany tamiko, ka dia hampodiko ho henatra kosa ny voninahiny.
Hose Mg1865 4:8  Ny fanatitra noho ny ota izay aterin’ ny oloko dia haniny ka satriny ihany ny ho diso ireny.
Hose Mg1865 4:9  Ary ho sahala ihany ny hanjo ny olona sy ny mpisorona; Dia hovaliako izy noho ny lalany, ary ny ataony dia hatsingeriko aminy.
Hose Mg1865 4:10  Ka dia hihinana izy, nefa tsy ho voky, hijangajanga izy, nefa tsy hihabetsaka, satria Jehovah efa tsy nahoany intsony.
Hose Mg1865 4:11  Fijangajangana sy divay ary ranom-boaloboka no mahalasa ny saina.
Hose Mg1865 4:12  Ny oloko dia mila saina amin’ ny tapa-kazony, ary ny tehiny no manambara aminy; Fa ny fanahim-pijangajangana no nampania azy, ary lasan-ko janga izy ka tsy manaiky an’ Andriamaniny.
Hose Mg1865 4:13  Eny an-tampon’ ny tendrombohitra no amonoany zavatra hatao fanatitra, ary eny amin’ ny havoana no andoroany ditin-kazo manitra, dia eny ambanin’ ny hazo ôka sy ny popola ary ny terebinta, satria tsara alokaloka ireny; Koa izany no ijejojejoan’ ny zanakavavinareo sy ijangajangan’ ny vinantovavinareo.
Hose Mg1865 4:14  Tsy hamaly ny zanakavavinareo Aho, raha mijejojejo izy, na ny vinantovavinareo, raha mijangajanga izy; Fa ny tenanareo aza dia miavaka hankamin’ ny mpijangajanga sady mamono zavatra hatao fanatitra miaraka amin’ ireo vehivavy mpanolotena hijangajanga ho fanompoan-tsampy, ka dia ho lavo ny firenena tsy misaina.
Hose Mg1865 4:15  Na dia mijangajanga aza ianao, ry Isiraely. Aoka ny Joda tsy mba hanota; Ary aza mankany Gilgala na miakatra any Betavena ianareo; Ary aza mianiana hoe: Raha velona koa Jehovah!
Hose Mg1865 4:16  Fa ny Isiraely dia maditra toy ny vantotr’ ombivavy maditra; Ankehitriny dia handrasan’ i Jehovah toy ny zanak’ ondry eny amin’ ny malalaka izy.
Hose Mg1865 4:17  Tafaraikitra amin’ ny sampy Efraima; Aoka izy ho eo.
Hose Mg1865 4:18  Efa lefy ny divainy; Mahery mijangajanga izy; Fatra-pitia henatra ireo mpanapaka azy.
Hose Mg1865 4:19  Voapaoky ny elatry ny rivotra izy ka ho menatra noho ny zavatra novonoiny hatao fanatitra.