HOSEA
Chapter 10
Hose | Mg1865 | 10:1 | Voaloboka misandrahaka Isiraely, mamoa ho azy izy; Araka ny habetsahan’ ny voany no nanaovany alitara betsaka, araka ny hatsaran’ ny taniny no nanaovany tsangam-baton-tsampy tsara tarehy. | |
Hose | Mg1865 | 10:2 | Mamitaka ny fony, koa dia hovaliana izy izao noho ny helony; Jehovah no hanimba ny alitarany sy handrava ny tsangam-baton-tsampiny | |
Hose | Mg1865 | 10:3 | Amin’ izany dia hiteny izy hoe: Tsy mana-mpanjaka isika; Fa tsy natahorantsika Jehovah, koa hahavita inona ho antsika moa izay mpanjaka? | |
Hose | Mg1865 | 10:4 | Niteniteny foana izy tamin’ ny nianianany tsy tò sy ny nanaovany fanekena; Ka nitrebona toy ny zava-mangidy eny am-bavasa eny an-tsaha ny rariny. | |
Hose | Mg1865 | 10:5 | Ny mponina any Samaria matahotra noho ny amin’ ny ombivavy kely ao Betavena; Fa ny olony mitomany azy, | |
Hose | Mg1865 | 10:6 | Iny koa ho entina any Asyria ho fanomezana ho an’ i Jareba mpanjaka; Ho afa-baraka Efraima, eny, hangaihay Isiraely noho ny saina nataony. | |
Hose | Mg1865 | 10:7 | Ho rava Samaria, ny mpanjakany dia ho tonga toy ny sombin-javatra eny ambonin’ ny rano. | |
Hose | Mg1865 | 10:8 | Ary ho rava koa ny fitoerana avo ho Avena, izay anotan’ Isiraely; Ho rakotry ny tsilo sy ny ahitra ratsy ny alitarany; Ary izy hanao amin’ ny tendrombohitra hoe: sarony izahay, ary amin’ ny havoana hoe: Mianjerà aminay. | |
Hose | Mg1865 | 10:9 | Hatramin’ ny andro fony tany Gibea no efa nanotanao, ry Isiraely; Nikikitra tany izy; Tsy nahatratra azy tany Gibea ny ady namelezana ny zanaky ny faharatsiana. | |
Hose | Mg1865 | 10:10 | Araka ny sitrako no hamaizako azy; Ary hovorina hamely azy ny firenena, amin’ ny hamatorana azy noho ny helony roa loha. | |
Hose | Mg1865 | 10:11 | Ary Efraima dia tahaka ny ombivavy kely efa voafolaka ka faly hively vary; Ary hasiako zioga ny vozony tsara tarehy; Hampandehaniko Efraima; Joda hiasa tany, ary Jakoba handravona. | |
Hose | Mg1865 | 10:12 | Mamafaza ho anareo araka ny fahamarinana, mijinjà araka ny fitiavana, hevoy ny tombam-borakareo; Fa izao no andro hitadiavana an’ i Jehovah ambara-pihaviny sy handatsahany fahamarinana aminareo. | |
Hose | Mg1865 | 10:13 | Niasa faharatsiana ianareo, ka fahadisoana no nojinjanareo; Nihinana ny vokatry ny lainga ianareo fa nitoky tamin’ ny alehanareo sy ny habetsahan’ ny lehilahy maherinareo ianareo. | |
Hose | Mg1865 | 10:14 | Dia hisy tabataba hamelezana ny olonareo, ka horavana ny tanànareo mimanda rehetra, toy ny nandravan’ i Salamana an’ i Bet-arbela tamin’ ny andro niadiana, ka torotoro avokoa ny reniny mbamin’ ny zanany. | |