HOSEA
Chapter 8
Hose | Mg1865 | 8:1 | Ataovy eo am-bavanao ny anjomara! Fa hisy toy ny voromahery hipaoka ny tranon’ i Jehovah, satria efa nivadika ny fanekeko sy nandika ny lalàko ireo. | |
Hose | Mg1865 | 8:4 | Ireny dia nanangana mpanjaka nefa tsy avy tamiko; Nifidy mpanapaka izy, nefa tsy fantatro; Ny volafotsiny sy ny volamenany no nataony sampiny mba hamongorana azy. | |
Hose | Mg1865 | 8:5 | Maharikoriko ilay ombilahy kelinao, ry Samaria; Mirehitra aminareo ny fahatezerako; Mandra-pahoviana no tsy ho tohanareo ny fahadiovana? | |
Hose | Mg1865 | 8:6 | Fa avy tamin’ ny Isiraely koa izany; Ny mpiasa no nanao azy, ka dia tsy Andriamanitra izy, fa ho torotoro ilay ombilahy kelin’ i Samaria. | |
Hose | Mg1865 | 8:7 | Fa rivotra no nafafiny, ary tadio no hojinjany; Tsy misy vary mitsangana, ny salohiny tsy hisy ventiny; Ary raha tàhiny hisy aza, dia ny olona hafa firenena no hihinana azy. | |
Hose | Mg1865 | 8:8 | Voatelina Isiraely; Ankehitriny dia efa tonga tahaka ny fanaka tsy mahafinaritra izy any amin’ ny jentilisa. | |
Hose | Mg1865 | 8:9 | Fa niakatra ho any Asyria izy Toy ny borikidia mandeha irery; Efraima dia nanangy ireo lehilahiny | |
Hose | Mg1865 | 8:10 | Ary na dia nanangy tany amin’ ny jentilisa aza izy, dia hovoriko ankehitriny; Ary hihavitsy izy noho ny entan’ ny mpanjakan’ ireo mpanapaka. | |
Hose | Mg1865 | 8:12 | Na dia soratako ho azy ny teny betsaka amin’ ny lalàko aza, dia ataony ho toy ny zavatra tsy izy izany. | |
Hose | Mg1865 | 8:13 | Mamono zavatra hatao fanatitra ho Ahy izy, eny, mihinana ny henan’ izany, nefa tsy sitrak’ i Jehovah izany; Ankehitriny dia hotsarovany ny fahotany, ary hovaliany ny helony; Eny, izy ireny dia hiverina ho any Egypta. | |