Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
JOSHUA
Prev Up Next
Chapter 20
Josh Mg1865 20:1  Ary Jehovah niteny tamin’ i Josoa ka nanao hoe:
Josh Mg1865 20:2  Lazao amin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Fidio ny tanàna fandosirana izay nasaiko nolazain’ i Mosesy taminareo,
Josh Mg1865 20:3  handosiran’ izay nahafaty olona tsy nahy; dia ho fandosirana ho anareo izany mba tsy ho azon’ ny mpamaly rà
Josh Mg1865 20:4  Ary raha misy mandositra ho ao amin’ ny anankiray amin’ ireo tanàna ireo ka mijanona eo anoloan’ ny vavahady ary mandahatra ny teniny eo anatrehan’ ny loholona amin’ izany tanàna izany, dia hampidiriny ho ao an-tanàna izy ka homeny toerana, mba hitoetra ao aminy.
Josh Mg1865 20:5  Ary raha manenjika azy ny mpamaly rà, dia tsy hanolotra ilay nahafaty olona ho eo an-tànany izy, satria nahafaty tsy nahy ny namany, fa tsy dia nankahala azy teo aloha.
Josh Mg1865 20:6  Dia hitoetra ao amin’ izany tanàna izany izy mandra-pisehony eo anatrehan’ ny fiangonana hotsaraina, sy mandra-pahafatin’ izay mpisoronabe amin’ izany andro izany; dia hiverina ilay nahafaty olona ka hody any an-tanànany sy any an-tranony, dia any amin’ ny tanàna izay nialany fony izy nandositra.
Josh Mg1865 20:7  Dia nanokana an’ i Kadesy any Galilia any amin’ ny tany havoan’ i Naftaly izy sy Sekema any amin’ ny tany havoan’ i Efraima ary Kiriat-arba (Hebrona izany) any amin’ ny tany havoan’ i Joda.
Josh Mg1865 20:8  Ary dia nifidy an’ i Bezera any an-efitra amin’ ny tany lemaka izay an’ ny firenen’ i Robena izy, ary Ramota izay any Gileada, an’ ny firenen’ i Gada, ary Golana any Basana, izay an’ ny firenen’ i Manase, any an-dafy atsinanan’ i Jordana, tandrifin’ i Jeriko.
Josh Mg1865 20:9  Ireo no tanàna voafidy ho an’ ny Zanak’ Isiraely rehetra sy ny vahiny eo aminy handosiran’ izay rehetra nahafaty olona tsy nahy, mba tsy ho fatin’ ny tanan’ ny mpamaly rà izy mandra-pisehony eo anatrehan’ ny fiangonana.