Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
JOSHUA
Prev Up Next Toggle notes
Chapter 19
Josh Mg1865 19:1  Ary ny loka faharoa dia azon’ i Simeona, dia ny firenena taranak’ i Simeona isam-pokony; ary ny lovany dia tao anatin’ ny lovan’ ny taranak’ i Joda.
Josh Mg1865 19:2  Ary izao no azony ho lovany: Beri-sheba, na Seba, sy Molada
Josh Mg1865 19:6  sy Beti-lebaota ary Sarohena: tanàna telo ambin’ ny folo sy ny zana-bohiny;
Josh Mg1865 19:7  sy Aina sy Rimona sy Etera sy Asana: tanàna efatra sy ny zana-bohiny;
Josh Mg1865 19:8  ary ny zana-bohitra rehetra manodidina ireo tanàna ireo hatrany Baleta-bera sy Rama amin’ ny tany atsimo. Izany no lovan’ ny firenena taranak’ i Simeona araka ny fotony.
Josh Mg1865 19:9  Avy tamin’ ny anjaran’ ny taranak’ i Joda no nahazoan’ ny taranak’ i Simeona ny lovany; fa nalalaka loatra taminy ny anjaran’ ny taranak’ i Joda, ka izany no nahazoan’ ny taranak’ i Simeona anjara tao anatin’ ny azy.
Josh Mg1865 19:10  Ary ny loka fahatelo dia azon’ ny taranak’ i Zebolona isam-pokony; ary ny faritanin’ ny lovany dia hatrany Sarida,
Josh Mg1865 19:11  dia niakatra niankandrefana hatrany Marala, dia nahazo an’ i Dabeseta ka nihatra tamin’ ny lohasahan-driaka tandrifin’ i Jokneama,
Josh Mg1865 19:12  dia nitodika niantsinanana hatrany Sarida ka hatramin’ ny fari-tanin’ i Rislota-tabara, dia nandroso hatrany Daberata ka niakatra hatrany Jafia,
Josh Mg1865 19:13  dia nandroso niantsinanana hatrany Gata-hefera sy Ita-kazina ka nandroso hatrany Rimona, izay mipaka an’ i Nea,
Josh Mg1865 19:14  dia niolaka eo avaratr’ iny ka nahazo an’ i Hanatona, dia nihatra tamin’ ny lohasaha Jifta-ela.
Josh Mg1865 19:15  Ary Katata sy Nahalola sy Simrona sy Idala sy Betlehema, dia tanàna roa ambin’ ny folo sy ny zana-bohiny.
Josh Mg1865 19:16  Izany no lovan’ ny taranak’ i Zebolona araka ny fokony, dia ireo tanàna ireo sy ny zana-bohiny.
Josh Mg1865 19:17  Ary ny loka fahefatra dia azon’ Isakara, dia ny taranak’ Isakara isam-pokony.
Josh Mg1865 19:18  Ary ny fari-taniny dia hatrany Jezirela sy Kesolota sy Sonema
Josh Mg1865 19:21  sy Rameta sy Enganima sy Enhada ary Beti-pazeza.
Josh Mg1865 19:22  Ary ny fari-taniny dia nahazo an’ i Tabara sy Sahazoma sy Beti-semesy, ka dia nihatra tany Jordana: tanàna enina ambin’ ny folo sy ny zana-bohiny.
Josh Mg1865 19:23  Izany no lovan’ ny firenena taranak’ Isakara araka ny fokony, dia ireo tanàna ireo sy ny zana-bohiny.
Josh Mg1865 19:24  Ary ny loka fahadimy dia azon’ ny firenena taranak’ i Asera isam-pokony.
Josh Mg1865 19:25  Ary ny fari-taniny dia Helkata sy Haly sy Batena sy Aksafa
Josh Mg1865 19:26  sy Alameleka sy Amada sy Misala, dia nihatra any Karmela eo andrefana sy Sihora-libnata,
Josh Mg1865 19:27  dia nitodika niantsinanana ho any Beti-dagona ka nihatra any Zebolona sy ny lohasaha Jifta-ela any avaratra sy Bet-emeka sy Neiela, ka dia nihatra any Kabola eo ankavia
Josh Mg1865 19:28  ary Ebrona sy Rehoba sy Hamona sy Kana ka hatrany Sidona lehibe,
Josh Mg1865 19:29  dia nitodika hatrany Rama sy Tyro, tanàna mimanda, dia nitodika hatrany Hosa, ka dia nihatra tamin’ ny ranomasina teo akaikin’ ny tany Akziba
Josh Mg1865 19:30  ary Oma sy Afeka ary Rehoba: tanàna roa amby roa-polo sy ny zana-bohiny.
Josh Mg1865 19:31  Izany no lovan’ ny firenena taranak’ i Asera araka ny fokony, dia ireo tanàna ireo sy ny zana-bohiny.
Josh Mg1865 19:32  Ary ny loka fahenina dia an’ ny taranak’ i Naftaly isam-pokony.
Josh Mg1865 19:33  Ary ny fari-taniny dia hatrany Halefa ka hatramin’ ny hazo terebinta ao Zananima sy hatrany Adami-hanekeba sy Jabniela ka hatrany Lakoma, ka dia nihatra an’ i Jordana,
Josh Mg1865 19:34  dia nitodika niankandrefana hatrany Aznota-tabara, dia nandroso hatrany Hokoka ary nihatra an’ i Zebolona eo atsimo sy Asera eo andrefana ary Joda amoron’ i Jordana eo atsinanana.
Josh Mg1865 19:35  Ary ny tanàna mimanda dia Zidima Zera sy Hamata sy Rakata sy Kinereta
Josh Mg1865 19:38  sy Irona sy Migda ela sy Horema sy Bet-anata ary Beti-semesy: tanàna sivy ambin’ ny folo sy ny zana-bohiny.
Josh Mg1865 19:39  Izany no lovan’ ny firenena taranak’ i Naftaly araka ny fokony, dia ireo tanàna ireo sy ny zana-bohiny.
Josh Mg1865 19:40  Ary ny loka fahafito dia an’ ny firenena taranak’ i Dana isam-pokony.
Josh Mg1865 19:41  Ary ny fari-tanin’ ny lovany dia Zora sy Estaola sy Ira-semesy
Josh Mg1865 19:46  sy Me-jarkona sy Rakona ary ny tany tandrifin’ i Jopa.
Josh Mg1865 19:47  Ary ny fari-tanin’ ny taranak’ i Dana dia nandroso nihoatra ireo; fa niakatra ny taranak’ i Dana, dia niady tamin’ i Lesema ka nahafaka azy ary namely azy tamin’ ny lelan-tsabatra ka nahazo azy, dia nitoetra teo; ary ny anaran’ i Lesema nataony hoe Dana araka ny anaran’ i Dana rainy.
Josh Mg1865 19:48  Izany no lovan’ ny firenena taranak’ i Dana araka ny fokony, dia ireo tanàna ireo sy ny zana-bohiny.
Josh Mg1865 19:49  Dia vitany ny nizarana ny tany holovany araka ny fari-taniny, ka dia nomen’ ny Zanak’ Isiraely lova teo aminy koa Josoa, zanak’ i Nona.
Josh Mg1865 19:50  Araka ny tenin’ i Jehovah dia nomeny azy ny tanàna izay nangatahiny, dia Timnata-sera any amin’ ny tany havoan’ i Efraima: dia nanamboatra ny tanàna izy ka nitoetra tao.
Josh Mg1865 19:51  Ireo no lova izay nozarain’ i Eleazara mpisorona sy Josoa, zanak’ i Nona, ary ny lohan’ ny fianakaviana tamin’ ny firenen’ ny Zanak’ Isiraely tao Silo teo anatrehan’ i Jehovah, dia teo am-baravaran’ ny trano-lay fihaonana, araka ny filokana. Dia vitany avokoa ny nizarany ny tany.