Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
JOSHUA
Prev Up Next Toggle notes
Chapter 15
Josh Mg1865 15:1  Ary izao no anjaran’ ny firenena taranak’ i Joda tamin’ ny filokana araka ny fokony: hatramin’ ny fari-tanin’ i Edoma dia ny efitra Zina atsimo, izay faran’ ny faritany atsimo.
Josh Mg1865 15:2  Ary ny fari-taniny atsimo dia hatramin’ ny faran’ ny Ranomasin-tsira, dia hatramin’ ny helo-drano atsimo,
Josh Mg1865 15:3  dia nandroso hatrany atsimon’ ny fiakarana Akrabima, dia nandroso hatrany Zina, dia niakatra any atsimon’ i Kadesi-barnea ka nandroso hatrany Hezrona dia niakatra any Adara ary niolaka hatrany Karka,
Josh Mg1865 15:4  dia nandroso hatrany Azmona ka nahazo ny lohasahan-driak’ i Egypta, ary dia nihatra tamin’ ny ranomasina; izany no ho fari-taninareo atsimo.
Josh Mg1865 15:5  Ary ny fari-tany atsinanana dia ny Ranomasin-tsira hatramin’ ny faran’ i Jordana. Ary ny fari-taniny tamin’ ny lafiny avaratra dia hatramin’ ny helo-drano eo amin’ ny faran’ i Jordana,
Josh Mg1865 15:6  dia niakatra hatrany Beti-hogla ka nandroso any avaratr’ i Bet-araba, dia niakatra hatramin’ ny vaton’ i Bohana, zanak’ i Robena,
Josh Mg1865 15:7  dia niakatra ho any Debira hatramin’ ny lohasaha Akora ary nianavaratra manandrify an’ i Gilgala tandrifin’ ny fiakarana Adomina, izay eo atsimon’ ny lohasahan-driaka, dia nandroso hatramin’ ny rano Ensemesy ary nihatra tany En-rogela,
Josh Mg1865 15:8  dia niakatra teo amin’ ny lohasahan’ ny taranak’ i Hinoma, ho eo anilany atsimon’ ny Jebosita (Jerosalema izany), dia niakatra hatramin’ ny tampon’ ny tendrombohitra, izay manandrify ny lohasahan’ i Hinoma eo andrefany, amin’ ny farany avaratry ny Lohasahan’ ny Refaïta,
Josh Mg1865 15:9  dia nizotra hatramin’ ny tampon’ ny tendrombohitra ka nihatra tamin’ ny loharano Neftoa, dia nahazo ny tanàna tao an-tendrombohitra Efrona, dia nizotra hatrany Bala (Kiriata-jearima izany),
Josh Mg1865 15:10  dia niolaka hatrany Bala andrefana ka hatramin’ ny tendrombohitra Seïra ka nandroso hatramin’ ny ilany avaratry ny tendrombohitra Jearima (Kesalona izany), dia nidina hatrany Beti-semesy ka nandroso hatrany Timna.
Josh Mg1865 15:11  dia nihatra tamin’ ny lafiny avaratr’ i Ekrona, dia nizotra hatrany Sikerona ka nandroso hatramin’ ny tendrombohitra Bala, dia nihatra tamin’ i Jabniela, ary dia nihatra tany amin’ ny ranomasina.
Josh Mg1865 15:12  Ary ny fari-tany andrefana dia ny moron’ ny Ranomasina Lehibe. Izany no fari-tany manodidina ny anjaran’ ny taranak’ i Joda araka ny fokony.
Josh Mg1865 15:13  Ary Kaleba, zanak’ i Jefone, dia nomeny anjara teo amin’ ny taranak’ i Joda, araka ny didin’ i Jehovah tamin’ i Josoa, dia ny tanànan’ i Arba, rain’ i Anàka (Hebrona izany).
Josh Mg1865 15:14  Dia noroahin’ i Kaleba niala tao izy telo lahy, taranaky ny Anakita, dia Sesay sy Ahimana ary Talmay.
Josh Mg1865 15:15  Dia niakatra avy tao izy hankany amin’ ny mponina any Debira (Kiriata-sefera no anaran’ i Debira taloha).
Josh Mg1865 15:16  Ary hoy Kaleba: Izay mamely an’ i Kiriata-sefera ka mahafaka azy, dia homeko azy Aksa zanako-vavy ho vadiny.
Josh Mg1865 15:17  Ary Otniela, zanak’ i Kenaza, rahalahin’ i Kaleba, no nahafaka azy; ka dia nomeny azy Aksa zananivavy ho vadiny.
Josh Mg1865 15:18  Ary rehefa voampakatra ravehivavy, dia nanome vava ny lahy hangataka saha tamin-drainy; dia niala faingana tamin’ ny borikiny ravehivavy, ka hoy Kaleba taminy: Inona no ilainao?
Josh Mg1865 15:19  Ary hoy izy: Omeo tso-drano aho; fa tsy tany misy rano no efa nomenao ahy, ka mba omeo loharano koa aho. Dia nomeny azy ny loharano ambony sy ny loharano ambany.
Josh Mg1865 15:20  Izao no lovan’ ny firenena taranak’ i Joda araka ny fokony:
Josh Mg1865 15:21  Ny tanàna farany amin’ ny firenena taranak’ i Joda, eo akaikin’ ny fari-tanin’ i Edoma amin’ ny tany atsimo, dia Kabzela sy Edera sy Jagora
Josh Mg1865 15:25  sy Hazora-hadata sy Keriota-hezrona (Hazora izany),
Josh Mg1865 15:32  sy Lebaota sy Silima sy Aina sy Rimona; sivy amby roa-polo ny tanàna rehetra sy ny zana-bohiny.
Josh Mg1865 15:33  Ary teo amin’ ny tany lemaka amoron-tsiraka dia Estaola sy Zora sy Asna
Josh Mg1865 15:36  sy Saraima sy Aditaima sy Gadera sy Gederotaima: tanàna efatra ambin’ ny folo sy ny zana-bohiny;
Josh Mg1865 15:41  sy Gederota sy Beti-dagona sy Nama sy Makeda: tanàna enina ambin’ ny folo sy ny zana-bohiny;
Josh Mg1865 15:44  sy Keila sy Akziba ary Maresa: tanàna Sivy sy ny zana-bohiny;
Josh Mg1865 15:46  hatrany Ekrona no ho miankandrefana, dia izay rehetra akaiky an’ i Asdoda, sy ny zana-bohitr’ ireo,
Josh Mg1865 15:47  Asdoda sy ny tanànany ary ny zana-bohiny, Gaza sy ny tanànany ary ny zana-bohiny, hatramin’ ny lohasahan-driak’ i Egypta sy ny amoron’ ny Ranomasina Lehibe.
Josh Mg1865 15:48  Ary tany amin’ ny tany havoana dia Samira sy Jatira sy Soko
Josh Mg1865 15:51  sy Gosena sy Holona sy Gilo: tanàna iraika ambin’ ny folo sy ny zana-bohiny;
Josh Mg1865 15:54  sy Honta sy Kiriat-arba (Hebrona izany) ary Ziora: tanàna sivy sy ny zana-bohiny;
Josh Mg1865 15:57  sy Kaina sy Gibea sy Timna: tanana folo sy ny zana-bohiny;
Josh Mg1865 15:59  sy Marata sy Bet-anota sy Eltekona: tanàna enina sy ny zana-bohiny;
Josh Mg1865 15:60  sy Kiriata-bala (Kiriata-jearima izany) sy Raba; tanàna roa sy ny zana-bohiny.
Josh Mg1865 15:61  Tany an-efitra dia Bet-araba sy Midìna sy Sekaka
Josh Mg1865 15:62  sy Nibsana sy ilay Tanànantsira ary En-jedy: tanàna enina sy ny zana-bohiny.
Josh Mg1865 15:63  Ary ny amin’ ny Jebosita, mponina any Jerosalema, dia tsy naharoaka azy ny taranak’ i Joda; fa miara-monina amin’ ny taranak’ i Joda any Jerosalema mandraka androany izy ireny.