Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
II JOHN
1
Chapter 1
II J Mg1865 1:1  Izaho loholona mamangy an’ itompokovavy voafidy sy ny zanany, izay tiako amin’ ny fahamarinana (ary tsy izaho ihany, fa izay rehetra mahalala ny marina koa)
II J Mg1865 1:2  noho ny fahamarinana izay mitoetra ato anatintsika sady ho ato amintsika mandrakizay:
II J Mg1865 1:3  ho amintsika ny fahasoavana sy ny famindram-po ary ny fiadanana avy amin’ Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy, Zanaky ny Ray, amin’ ny fahamarinana sy ny fitiavana.
II J Mg1865 1:4  Faly indrindra aho, satria misy hitako ny zanakao sasany mandeha amin’ ny fahamarinana araka ny nandraisantsika didy tamin’ ny Ray.
II J Mg1865 1:5  Ary mangataka aminao aho ankehitriny, tompokovavy, tsy toy ny manoratra didy vaovao aminao, fa ilay nananantsika hatramin’ ny voalohany ihany, dia aoka hifankatia isika.
II J Mg1865 1:6  Ary izao no fitiavana, dia ny handehanantsika araka ny didiny. Izany no didy, tahaka ny efa renareo hatramin’ ny taloha ihany, dia ny handehananareo aminy.
II J Mg1865 1:7  Fa maro ny mpamitaka efa lasa any amin’ izao tontolo izao, dia ireny tsy manaiky fa efa tonga tamin’ ny nofo Jesosy Kristy. Izy no mpamitaka sy antikristy.
II J Mg1865 1:8  Mitandrema ianareo, fandrao mahavery izay namonoanay tena, fa mba handraisanareo valim-pitia tanteraka.
II J Mg1865 1:9  Izay rehetra mitarika nefa tsy mitoetra ao amin’ ny fampianaran’ i Kristy, dia tsy manana an Andriamanitra. Izay mitoetra ao amin’ ny fampianarana, dia izy no manana ny Ray sy ny Zanaka.
II J Mg1865 1:10  Raha misy olona mankeo aminareo ka tsy mitondra izao fampianarana izao, aza mampiantrano azy na miarahaba azy akory;
II J Mg1865 1:11  fa izay miarahaba azy dia miombona amin’ ny ratsy ataony.
II J Mg1865 1:12  Manana zavatra maro hosoratana aminareo aho, nefa tsy tiako hatao amin’ ny taratasy sy ny ranomainty izany; fa manantena ho tonga atỳ aminareo aho ka hiteny mifanatrika, mba ho tanteraka ny fifalianareo.
II J Mg1865 1:13  Ny zanaky ny rahavavinao voafidy manao veloma anao.