Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
II THESSALONIANS
1 2 3
Prev Up Next Toggle notes
Chapter 1
II T Mg1865 1:1  Paoly sy Silasy ary Timoty mamangy ny fiangonan’ ny Tesaloniana, izay ao amin’ Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo:
II T Mg1865 1:2  ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’ Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy Tompo.
II T Mg1865 1:3  Tsy maintsy misaotra an’ Andriamanitra mandrakariva izahay noho ny aminareo, ry rahalahy, fa mahamendrika isany, satria mitombo fatratra ny finoanareo, ary be ny fifankatiavanareo rehetra,
II T Mg1865 1:4  ka reharehan’ ny tenanay ianareo eny amin’ ny fiangonan’ Andriamanitra noho ny faharetanareo sy ny finoanareo amin’ ny fanenjehana rehetra izay manjo anareo sy ny fahoriana izay iaretanareo ―
II T Mg1865 1:5  famantarana ny fitsarana marin’ Andriamanitra izany ― mba hatao ho miendrika ny fanjakan’ Andriamanitra ianareo, sady izany koa no iaretanareo
II T Mg1865 1:6  fa zavatra marina amin’ Andriamanitra ny hamaly fahoriana izay mampahory anareo,
II T Mg1865 1:7  ary ny hanome fitsaharana anareo izay ampahorina kosa mbamin’ ny tenanay, raha hiseho Jesosy Tompo, avy any an-danitra mbamin’ ny anjelin’ ny heriny,
II T Mg1865 1:8  amin’ ny afo midedadeda, hamaly izay tsy mahalala an’ Andriamanitra sy izay tsy manaiky ny filazantsaran’ i Jesosy Tompontsika,
II T Mg1865 1:9  dia olona izay hiharan’ ny famaliana marina dia fahaverezana mandrakizay avy amin’ ny fanatrehan’ ny Tompo sy ny voninahitry ny heriny,
II T Mg1865 1:10  raha tonga Izy mba hankalazaina eo amin’ ny olony masìna sy higagana eo amin’ izay rehetra mino amin izany andro izany, satria ninoana ny fanambaranay taminareo.
II T Mg1865 1:11  Ary izany no angatahinay mandrakariva ny aminareo, mba hataon’ Andriamanitsika ho miendrika ny fiantsoana ianareo, ary hotanterahiny amin’ ny hery ny fankasitrahana tsara rehetra sy ny asan’ ny finoana,
II T Mg1865 1:12  mba hankalazaina ao aminareo ny anaran’ i Jesosy Tompontsika, ary ianareo ao aminy kosa, araka ny fahasoavan’ Andriamanitsika sy Jesosy Kristy Tompo.