II THESSALONIANS
Chapter 3
II T | Mg1865 | 3:1 | Farany, ry rahalahy, mivavaha ho anay, mba handehanan’ ny tenin’ ny Tompo faingana ka hankalazaina toy ny eo aminareo, | |
II T | Mg1865 | 3:2 | ary mba hovonjena ho afaka amin’ ny olona hafahafa sy ratsy fanahy izahay; fa tsy ary manana finoana avokoa ny olona rehetra. | |
II T | Mg1865 | 3:4 | Fa izahay matoky anareo ao amin’ ny Tompo, fa izay zavatra andidianay dia efa ataonareo sady mbola hataonareo ihany koa. | |
II T | Mg1865 | 3:5 | Ary ny Tompo anie hanitsy lalana ny fonareo ho amin’ ny fitiavana an’ Andriamanitra sy ho amin’ ny faharetan’ i Kristy. | |
II T | Mg1865 | 3:6 | Ary mandidy anareo izahay, ry rahalahy, amin’ ny anaran’ i Jesosy Kristy Tompontsika, mba hialanareo amin’ ny rahalahy rehetra izay tsy mitoetra tsara ka tsy manaraka ny fampianarana natolotra izay noraisiny taminay. | |
II T | Mg1865 | 3:7 | Fa ny tenanareo mahalala izay tokony hianaranareo anay; fa nitoetra tsara teo aminareo izahay, | |
II T | Mg1865 | 3:8 | ary tsy nihinana foana izay hanin’ olona, fa niasa andro aman’ alina tamin’ ny fikelezan’ aina sy ny fisasarana mba tsy hahavaky tratra na dia iray akory aminareo aza; | |
II T | Mg1865 | 3:9 | tsy noho ny tsy anananay fahefana anefa, fa mba hatolotray aminareo ho fianaranareo ny tenanay. | |
II T | Mg1865 | 3:10 | Fa fony mbola teo aminareo ihany aza izahay, dia nandidy anareo hoe: Raha misy tsy mety miasa, dia aoka tsy hihinana izy. | |
II T | Mg1865 | 3:11 | Fa renay fa misy ny sasany eo aminareo tsy mitoetra tsara, ka tsy miasa akory, fa mivezivezy foana miraharaha ny an’ olona. | |
II T | Mg1865 | 3:12 | Ary izay manao toy izany no didianay sy anarinay ao amin’ i Jesosy Kristy Tompo mba hiasa tsara amin’ ny fiadanana ka hihinana izay azy ihany. | |
II T | Mg1865 | 3:14 | Ary raha misy olona tsy manaiky ny teninay amin’ ity epistily ity, mariho izany olona izany, ka aza mikambana aminy, mba hahamenatra azy. | |
II T | Mg1865 | 3:16 | Ary ny Tompon’ ny fiadanana anie hanome anareo fiadanana mandrakariva amin’ ny zavatra rehetra. Ho aminareo rehetra anie ny Tompo. | |
II T | Mg1865 | 3:17 | Ity no veloma ataon’ ny tanako, izaho Paoly; izao no famantarana eo amin’ ny epistily rehetra; izao no soratro. | |