JEREMIAH
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52
Chapter 43
Jere | Mg1865 | 43:1 | Ary rehefa tapitra voalazan’ i Jeremia tamin’ ny vahoaka rehetra izany teny rehetra avy tamin’ i Jehovah Andriamaniny izany, izay nanirahan’ i Jehovah Andriamanitra azy holazaina aminy, | |
Jere | Mg1865 | 43:2 | dia niteny Azaria, zanak’ i Hosaia, sy Johanana, zanak’ i Karea, mbamin’ ny olona mpirehareha rehetra ka niteny tamin’ i Jeremia hoe: Mandainga ianao; fa tsy naniraka anao Jehovah Andriamanitsika hilaza hoe: Aza mandeha hivahiny any Egypta; | |
Jere | Mg1865 | 43:3 | fa Baroka, zanak’ i Neria, no nanome fo anao hamely anay mba hanolotra anay ho eo an-tànan’ ny Kaldeana hahafaty anay sy hahalasa anay ho babo any Babylona. | |
Jere | Mg1865 | 43:4 | Ary Johanana, zanak’ i Karea, sy ny mpifehy ny miaramila rehetra ary ny vahoaka rehetra dia tsy nihaino ny feon’ i Jehovah ny amin’ ny honenany ao amin’ ny tanin’ ny Joda. | |
Jere | Mg1865 | 43:5 | Fa Johanana, zanak’ i Karea, sy ny mpifehy ny miaramila rehetra dia nitondra ny sisa rehetra tamin’ ny Joda, izay niverina avy tany amin’ ny firenena rehetra nandroahana azy honina ao amin’ ny tanin’ ny Joda, | |
Jere | Mg1865 | 43:6 | dia ny lehilahy sy ny zaza amim-behivavy sy ny vehivavy zanak’ andriana ary ny olona rehetra izay navelan’ i Nebozaradana, lehiben’ ny mpiambina, tao amin’ i Gedalia, zanak’ i Ahikama, zanak’ i Safana, sy tao amin’ i Jeremia mpaminany sy Baroka, zanak’ i Neria | |
Jere | Mg1865 | 43:7 | ka dia nankany amin’ ny tany Egypta izy ireny, fa tsy nihaino ny feon’ i Jehovah, ary dia tonga hatrany Tapanesa. | |
Jere | Mg1865 | 43:9 | Mitondrà vato lehibe eny an-tananao, ka afeno ao amin’ ny feta ao amin’ ny gorodona taila, izay eo akaikin’ ny vavahady amin’ ny tranon’ i Farao ao Tapanesa, eo imason’ ny lehilahy amin’ ny Joda, | |
Jere | Mg1865 | 43:10 | ka lazao aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Indro Aho haniraka haka an’ i Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, mpanompoko, ka haoriko amin’ ireto vato nafeniko ireto ny seza fiandrianany; ary hamelatra ny lambany tsara tarehy hatao alokaloka eo amboniny izy. | |
Jere | Mg1865 | 43:11 | Eny, ho avy izy hamely ny tany Egypta, ka izay ho amin’ ny areti-mandringana dia ho amin’ ny areti-mandringana, ary izay ho amin’ ny fahababoana dia ho amin’ ny fahababoana, ary izay ho amin’ ny sabatra dia ho amin’ ny sabatra. | |
Jere | Mg1865 | 43:12 | Ary handrehitra afo ao amin’ ny tranon’ ny andriamanitr’ i Egypta Aho, ka dia hodorany sy hobaboiny ireo, ary hitafy ny tany Egypta izy toy ny fitafin’ ny mpiandry ondry ny lambany; ary hiala any amin’ ny fiadanana izy. | |