JEREMIAH
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52
Chapter 9
Jere | Mg1865 | 9:1 | Enga anie ka hahita fitoerana any an-efitra aho tahaka ny fitoeran’ ny mpandeha! Dia hahafoy ny fireneko aho ka hiala aminy, satria mpijangajanga avokoa izy rehetra, eny, mpivadika miray tetika izy. | |
Jere | Mg1865 | 9:2 | Manenjana ny lelany toy ny fanenjana tsipìka izy mba handefa lainga. Ary tsy araka ny marina no mahahery azy etỳ ambonin’ ny tany; Fa mandroso amin’ ny ratsy ka hatramin’ ny ratsy izy, ary Izaho tsy mba fantany, hoy Jehovah. | |
Jere | Mg1865 | 9:3 | Samia miaro tena amin’ ny namany avy ianareo. Ary aza misy matoky olona na dia ny rahalahy aza; Fa ny rahalahy rehetra dia mamingana tokoa, ary ny namana rehetra mandehandeha manaratsy. | |
Jere | Mg1865 | 9:4 | Izy rehetra samy mamitaka ny namany avy, ka tsy misy miteny marina; Mampianatra ny lelany handainga izy ary manasa-tena amin’ ny fanaovan-dratsy. | |
Jere | Mg1865 | 9:5 | Ny fonenanao dia ao anatin’ ny fitaka; Fitaka no nandavany tsy hahalalana Ahy, hoy Jehovah. | |
Jere | Mg1865 | 9:6 | Koa izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Indro, handrendrika sy hizaha toetra azy Aho; Fa ahoana no hataoko noho ny amin’ ny oloko zanakavavy? | |
Jere | Mg1865 | 9:7 | Zana-tsipìka mahafaty ny lelany ka miteny fitaka; Raha amin’ ny vavany, dia miteny fihavanana amin’ ny namany izy, kanjo ao anatiny kosa dia manao otri-po. | |
Jere | Mg1865 | 9:8 | Tsy hovaliako va izy amin’ izany zavatra izany? hoy Jehovah, tsy hialako fo va ny firenena toy izany? | |
Jere | Mg1865 | 9:9 | Noho ny amin’ ny tendrombohitra no hitomaniako sy hidradradrako, ary noho ny amin’ ny kijana any an-efitra no hanaovako hira fa halahelovana, satria may izy, ka tsy misy mandeha mamaky eo aminy, ary tsy misy fimàmàn’ omby re intsony, ary na ny voro-manidina na ny bibi-dia samy efa nandositra ka lasa avokoa. | |
Jere | Mg1865 | 9:10 | Ary Jerosalema dia hataoko korontam-bato sy fonenan’ ny amboadia; ary ny tanànan’ ny Joda hataoko lao tsy hisy mponina. | |
Jere | Mg1865 | 9:11 | Iza no olon-kendry mba hahafantatra izao, sady efa nitenenan’ ny vavan’ i Jehovah mba hanambara izao? Fa nahoana no noravana ny tany sady may ho toy ny efitra, ka tsy misy mandeha mamaky eo aminy? | |
Jere | Mg1865 | 9:12 | Ary hoy Jehovah: satria nahafoy ny lalàko izay nataoko teo anoloany izy ka tsy nankato izany ary tsy nihaino ny feoko, | |
Jere | Mg1865 | 9:13 | Fa nandeha araka ny ditry ny fony sy nanaraka ireo Bala araka izay nampianarin’ ny razany azy, | |
Jere | Mg1865 | 9:14 | Dia izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Indro, hofahanako zava-mahafaty ity firenena ity sy hampisotroiko rano mangidy; | |
Jere | Mg1865 | 9:15 | Ary haeliko any amin’ izay jentilisa tsy fantany na fantatry ny razany izy; Ary hampanenjehiko azy ny sabatra ambara-pandaniko azy. | |
Jere | Mg1865 | 9:16 | Izao no lazain’ i Jehovah. Tompon’ ny maro: Mihevera tsara, ka antsoy ireny vehivavy mpanao hira fahalahelovana mba ho avy; Eny, ampanalao ireny vehivavy mahay mba ho tonga; | |
Jere | Mg1865 | 9:17 | Ary asaovy haingana ireny hanandratra fidradradradrana ho antsika, mba hampijojy ny ranomasontsika sy hampivarina ny ranomaso avy amin’ ny hodimasontsika. | |
Jere | Mg1865 | 9:18 | Fa misy feo midradradradra re any Ziona hoe: Indrisy! rava isika; Afa-baraka indrindra isika, satria tsy maintsy mamoy ny tany, fa efa narodana ny trano nitoerantsika. | |
Jere | Mg1865 | 9:19 | Nefa mihainoa ny tenin’ i Jehovah, ianareo vehivavy, ary aoka hohenoin’ ny sofinareo ny tenin’ ny vavany, ka ampianaro fidradradradrana ny zanakavavinareo, ary samia mampianatra hira fahalahelovana ny namany avy. | |
Jere | Mg1865 | 9:20 | Fa ny fahafatesana efa nananika ny varavarankelintsika ka niditra tao an-dapantsika, mba handringana ny ankizy madinika tsy ho eny an-dalambe sy ny zatovo tsy ho eny an-kalalahana. | |
Jere | Mg1865 | 9:21 | Ataovy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Hiampatrampatra ny fatin’ ny olona ka ho tonga tahaka ny zezika eny an-tsaha sy tahaka ny amboara nilaozan’ ny mpijinja, Izay tsy misy manangona azy. | |
Jere | Mg1865 | 9:22 | Izao no lazain’ i Jehovah: Aoka ny hendry tsy hirehareha amin’ ny fahendreny, ary aoka ny mahery tsy hirehareha amin’ ny heriny, ary aoka ny manan-karena tsy hirehareha amin’ ny hareny; | |
Jere | Mg1865 | 9:23 | Fa izay te-hirehareha dia aoka hirehareha amin’ izao: Dia ny fahendreny sy ny fahalalany Ahy ho Jehovah, Izay manao famindram-po sy fitsarana marina ary fahamarinana etỳ ambonin’ ny tany; fa izany no sitrako, hoy Jehovah. | |
Jere | Mg1865 | 9:24 | Indro, avy ny andro, hoy Jehovah, izay hamaliako ny voafora rehetra mbamin’ ny tsy voafora koa, | |