JEREMIAH
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52
Chapter 11
Jere | Mg1865 | 11:2 | Mihainoa ny tenin’ izao fanekena izao ianareo, ary mitenena amin’ ny Joda sy amin’ ny mponina any Jerosalema, | |
Jere | Mg1865 | 11:3 | Ary ataovy aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: ho voaozona izay olona tsy mankatò ny tenin’ izao fanekena izao, | |
Jere | Mg1865 | 11:4 | Izay nandidiako ny razanareo tamin’ ny andro nitondrako azy nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta, dia avy tao amin’ ny memy fandrendreham-by, ka nanaovako hoe: Mihainoa ny feoko, ary mankatoava ireny araka izay rehetra andidiako anareo, dia ho oloko ianareo, ary Izaho kosa ho Andriamanitrareo, | |
Jere | Mg1865 | 11:5 | Mba hotoviko ny fianianana izay nianianako tamin’ ny razanareo, dia ny hanomezana azy tany tondra-dronono sy tantely tahaka ny amin’ izao anio izao. Dia namaly aho ka nanao hoe: Ho izany tokoa anie, Jehovah ô! | |
Jere | Mg1865 | 11:6 | Ary hoy Jehovah tamiko: Torio any an-tanànan’ ny Joda sy any an-dalamben’ i Jerosalema Izany teny rehetra izany, ka lazao hoe: Henoy ny tenin’ izao fanekena izao, ka ankatoavy izy. | |
Jere | Mg1865 | 11:7 | Fa nananatra mafy ny razanareo Aho tamin’ ny andro nitondrako azy nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta ka ambaraka androany; Eny, nifoha maraina koa Aho ka nananatra hoe: Mihainoa ny feoko. | |
Jere | Mg1865 | 11:8 | Nefa tsy nihaino izy na nanongilana ny sofiny, fa samy nandeha tamin’ ny ditry ny fo ratsiny ihany izy; Ka dia nataoko mihatra aminy ny teny rehetra amin’ izao fanekena izao, ilay nasaiko nataony, nefa tsy nataony. | |
Jere | Mg1865 | 11:9 | Ary hoy koa Jehovah tamiko: Misy tetika fikomiana hita ao amin’ ny Joda sy amin’ ny mponina any Jerosalema. | |
Jere | Mg1865 | 11:10 | Fa izy niverina nankamin’ ny heloky ny razany, izay tsy nety nihaino ny teniko, ary lasa nanaraka andriamani-kafa izy ka nanompo azy; Ny taranak’ Isiraely sy ny taranak’ i Joda efa nivadika ny fanekeko, izay nataoko tamin’ ny razany. | |
Jere | Mg1865 | 11:11 | Koa izao no lazain’ i Jehovah: Indro, Izaho hahatonga loza aminy, izay tsy azony handosirana; Ary na dia hitaraina amiko aza izy, dia tsy hihaino azy Aho. | |
Jere | Mg1865 | 11:12 | Dia handeha ny tanànan’ ny Joda sy ny mponina any Jerosalema ka hitaraina amin’ ireny andriamaniny, izay efa nandoroany ditin-kazo manitra; Nefa ireny tsy hahavonjy azy akory amin’ ny andro fahoriany. | |
Jere | Mg1865 | 11:13 | Fa araka ny isan’ ny tanànanao, ry Joda, no isan’ ny andriamanitrao, Ary araka ny isan’ ny lalamben’ i Jerosalema no isan’ ny alitara naorinareo ho an’ ilay mampahamenatra. Dia alitara handoroana ditin-kazo manitra ho an’ i Bala. | |
Jere | Mg1865 | 11:14 | Koa aza mivavaka ho an’ ity firenena ity ianao, ary aza manandratra fitarainana na fifonana ho azy; Fa amin’ ny andro izay hitarainany amiko noho ny fahoriany dia tsy hihaino azy Aho. | |
Jere | Mg1865 | 11:15 | Hanao inona ao an-tranoko ny malalako fa efa namoron-tsain-dratsy niaraka tamin’ ny maro izy, ary ny hena masìna dia esorina aminao; Raha azon-doza ianao, mifalia ary! | |
Jere | Mg1865 | 11:16 | Hazo oliva maitso sady misy voany maha-te-hizaha no nataon’ i Jehovah anaranao; Tamin’ ny fihorakorahana be no nandrehetany afo taminy, ary notapahina ny rantsany. | |
Jere | Mg1865 | 11:17 | Fa Jehovah, Tompon’ ny maro, Izay namboly anao, no nanambara ny loza hanjo anao, noho ny ratsy nataon’ ny taranak’ Isiraely sy ny taranak’ i Joda, Izay nahavoa ny tenany ka nahatezitra Ahy. Dia tamin’ ny nandoroany ditin-kazo manitra ho an’ i Bala. | |
Jere | Mg1865 | 11:18 | Ary nampahafantarin’ i Jehovah aho, ka dia nahalala; Tamin’ izany dia nasehonao ahy ny fanaony. | |
Jere | Mg1865 | 11:19 | Fa izaho dia tahaka ny zanak’ ondry bonaika, izay entina hovonoina; Ary tsy fantatro fa izao no tetika nataony namelezany ahy: Aoka hosimbantsika ny hazo mbamin’ ny voany, ary aoka hofongorantsika hiala amin’ ny tanin’ ny velona izy, mba tsy hotsarovana intsony ny anarany. | |
Jere | Mg1865 | 11:20 | Nefa, ry Jehovah, Tompon’ ny maro ô, Izay mitsara marina ka mamantatra ny voa sy ny fo aoka ho hitako ny famalianao azy; Fa aminao no efa nanankinako ny adiko. | |
Jere | Mg1865 | 11:21 | Koa izao no lazain’ i Jehovah ny amin’ ny mponina ao Anatota, izay mitady ny ainao ka manao hoe: Aza maminany amin’ ny anaran’ i Jehovah, fandrao matin’ ny tananay ianao, | |
Jere | Mg1865 | 11:22 | izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Indro, hovaliako Izy, ka ny zatovo ho fatin-tsabatra, ary ny zananilahy sy ny zananivavy ho fati-mosary; | |