JONAH
Chapter 3
Jona | Mg1865 | 3:2 | Mitsangàna, ka mankanesa any Ninive, ilay tanàna lehibe; ary torio aminy ny teny izay lazaiko aminao. | |
Jona | Mg1865 | 3:3 | Dia nitsangana Jona ka nankany Ninive araka ny tenin’ i Jehovah. Ary Ninive dia tanàna lehibe teo anatrehan’ Andriamanitra, dia lalana hateloana. | |
Jona | Mg1865 | 3:4 | Ary Jona niantomboka nandeha tao an-tanàna lalana indray andro ka nitory hoe: Rehefa afaka efa-polo andro, dia horavana Ninive. | |
Jona | Mg1865 | 3:5 | Dia nino an’ Andriamanitra ny mponina tao Ninive ka niantso fifadian-kanina sady nitafy lamba fisaonana hatramin’ ny lehibe ka hatramin’ ny kely. | |
Jona | Mg1865 | 3:6 | Ary nony efa ren’ ny mpanjakan’ i Ninive izany, dia nitsangana niala tamin’ ny seza fiandrianany izy, ka nanaisotra ny akanjom-boninahiny, dia nisarona lamba fisaonana sady nipetraka tamin’ ny lavenona. | |
Jona | Mg1865 | 3:7 | Ary nasaina nantsoina sy nambara eran’ i Ninive araka ny didin’ ny mpanjaka sy ny mpanapaka hoe: Aza avela hisy hanendry hanina akory, na olona, na biby fiompy; dia ny ondry aman’ osy sy ny omby; eny, aza avela hisy hihinana na hisotro rano akory ireo. | |
Jona | Mg1865 | 3:8 | Fa aoka samy hisarona lamba fisaonana ny olona sy ny biby fiompy, ary aoka hitaraina mafy amin’ Andriamanitra izy, ary aoka samy hahafoy ny lalany ratsy sy ny fandozana eny an-tanany avy izy rehetra. | |
Jona | Mg1865 | 3:9 | Fa angamba hiverina ihany Andriamanitra ka hanenina ary hiala amin’ ny fahatezerany mirehitra, mba tsy ho lany ritra isika? | |