HEBREWS
Chapter 8
Hebr | Mg1865 | 8:1 | Ary amin’ izany zavatra lazainay izany dia izao no fotony: Manana Mpisoronabe toy izany isika, dia Ilay efa mipetraka eo amin’ ny ankavanan’ ny seza fiandrianan’ ny Avo Indrindra any an-danitra, | |
Hebr | Mg1865 | 8:2 | Mpanao fanompoam-pivavahana ao amin’ ny fitoerana masìna sy ny tena tabernakely, izay naorin’ ny Tompo, fa tsy olona. | |
Hebr | Mg1865 | 8:3 | Fa ny mpisoronabe rehetra dia tendrena hanatitra fanomezana sy fanatitra; ary amin’ izany dia tsy maintsy mba manan-katerina koa Izy. | |
Hebr | Mg1865 | 8:4 | Koa raha etỳ ambonin’ ny tany dia tsy mba ho mpisorona akory Izy, satria misy rahateo ireo manatitra ny fanomezana araka ny lalàna, | |
Hebr | Mg1865 | 8:5 | dia ireo manao fanompoam-pivavahana amin’ izay endrika sy aloky ny zavatra any an-danitra, tahaka ny natoron’ Andriamanitra an’ i Mosesy, rehefa hanao ny tabernakely izy; fa hoy Izy: “Tandremo mba hataonao araka ny endrika izay naseho taminao tao an-tendrombohitra ny zavatra rehetra”. | |
Hebr | Mg1865 | 8:6 | Fa ankehitriny efa mahazo fanompoam-pivavahana tsara noho ny an’ ireny Izy, dia araka ny nanaovana Azy ho Mpanalalana amin’ ny fanekena tsara lavitra, izay natao tamin’ ny teny fikasana tsara lavitra. | |
Hebr | Mg1865 | 8:7 | Fa raha tsy nanan-tsiny izany fanekena voalohany izany, dia tsy mba nisy fitoerana hotadiavina ho an’ ny faharoa. | |
Hebr | Mg1865 | 8:8 | Fa manome tsiny ny olona Izy manao hoe: "Indro, avy ny andro, hoy Jehovah, Izay hanaovako fanekena vaovao amin’ ny taranak’ isiraely sy ny taranak’ i Joda, | |
Hebr | Mg1865 | 8:9 | Nefa tsy araka ny fanekena nataoko tamin’ ny razany Tamin’ ny andro nitantanako azy nitondra azy nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta; Fa izy ireny tsy nitoetra tamin’ ny fanekeko, Ary Izaho kosa dia tsy nitandrina azy, hoy Jehovah. | |
Hebr | Mg1865 | 8:10 | Fa izao no fanekena hataoko amin’ ny taranak’ isiraely, Rehefa afaka izany andro izany, hoy Jehovah: Dia hataoko ao an-tsainy ny lalàko, Sady hosoratako ao am-pony, Ary Izaho ho Andriamaniny, ary izy ho oloko; | |
Hebr | Mg1865 | 8:11 | Ary samy tsy hampianatra ny namany sy ny rahalahiny avy izy, Na hanao hoe: Mahalalà an’ i Jehovah; Fa samy hahalala Ahy avokoa izy rehetra Hatramin’ ny kely indrindra ka hatramin’ ny lehibe indrindra; | |
Hebr | Mg1865 | 8:12 | Fa hamindra fo amin’ ny tsi-fahamarinany Aho, Ary tsy hotsarovako intsony ny fahotany". | |