Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
HEBREWS
1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12 13
Prev Up Next
Chapter 10
Hebr Mg1865 10:1  Fa ny lalàna, izay misy aloky ny zava-tsoa ho avy, fa tsy ny tena endrik’ izany zavatra izany, dia tsy mba mahatanteraka ny olona manatona amin’ izay fanatitra ateriny mandrakariva isan-taona.
Hebr Mg1865 10:2  Raha izany, dia tsy ho nitsahatra va ny nanaterany ireo, satria rehefa nodiovina indray mandeha ny mpivavaka, dia tsy ho nasian’ ny fieritreretany ny ota intsony izy?
Hebr Mg1865 10:3  Fa amin’ ireo dia misy fahatsiarovana ny ota isan-taona.
Hebr Mg1865 10:4  Fa tsy mahaisotra ny ota ny ran’ ombilahy sy ny ran’ osilahy.
Hebr Mg1865 10:5  Koa nony niditra tamin’ izao fiainana izao Izy, dia nanao hoe: "Ny fanatitra alatsa-drà sy ny fanatitra hohanina tsy mba nilainao, Fa tena no namboarinao ho Ahy;
Hebr Mg1865 10:6  Ny fanatitra odorana sy ny fanatitra noho ny ota tsy sitrakao;
Hebr Mg1865 10:7  Dia hoy Izaho: Inty Aho tonga ― Ao amin’ ny horonam-boky no nanoratana Ahy ― Hanao ny sitraponao, Andriamanitra ô"..
Hebr Mg1865 10:8  Rehefa nolazainy teo hoe: “Ny fanatitra alatsa-drà sy ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra odorana ary ny fanatitra noho ny ota” (dia ireny aterina araka ny lalàna) “no tsy ilainao ary tsy sitrakao”,
Hebr Mg1865 10:9  dia hoy indray Izy: “Inty Aho tonga hanao ny sitraponao.” Manaisotra ny voalohany Izy mba hampitoerany ny faharoa.
Hebr Mg1865 10:10  Amin’ izany sitrapo izany no nanamasinana antsika tamin’ ny nanaterana ny tenan’ i Jesosy Kristy indray mandeha.
Hebr Mg1865 10:11  Ary ny mpisorona rehetra dia mitsangana isan’ andro manao fanompoam-pivavahana sy manatitra ireny fanatitra ireny ihany matetika izay tsy mahaisotra ny ota;
Hebr Mg1865 10:12  fa Izy kosa, rehefa nanao fanatitra iray monja ho mandrakizay noho ny ota, dia efa mipetraka eo an-tanana ankavanan’ Andriamanitra,
Hebr Mg1865 10:13  ka hatramin’ izao dia miandry Izy mandra-panaony ny fahavalony ho fitoeran-tongony.
Hebr Mg1865 10:14  Fa ny fanatitra iray ihany no efa nahatanterahany ho mandrakizay izay olona hamasinina.
Hebr Mg1865 10:15  Ary ny Fanahy Masìna koa manambara izany amintsika; fa rehefa voalazany hoe:
Hebr Mg1865 10:16  “Izao no fanekena hataoko aminy, Rehefa afaka izany andro izany, hoy Jehovah: Hataoko ao am-pony ny lalàko, Sady hosoratako ao an-tsainy,”
Hebr Mg1865 10:17  dia hoy koa Izy: “Ny fahotany sy ny helony tsy hotsarovako intsony”.
Hebr Mg1865 10:18  Ary rehefa misy famelana ireo, dia tsy misy fanatitra noho ny ota intsony.
Hebr Mg1865 10:19  Koa amin’ izany, ry rahalahy, satria manana fahatokiana hiditra ao amin’ ny fitoerana masìna isika noho ny ran’ i Jesosy,
Hebr Mg1865 10:20  amin’ izay lalana natokany ho antsika, dia lalana vaovao sady velona, namaky teo amin’ ny efitra lamba, dia ny nofony,
Hebr Mg1865 10:21  sady manana Mpisorona lehibe mitandrina ny tranon’ Andriamanitra,
Hebr Mg1865 10:22  dia aoka isika hanatona amin’ ny fo marina sy amin’ ny fahatokiana be avy amin’ ny finoana, manana fo voadio ho afaka amin’ ny fieritreretana ratsy sy tena voasasa tamin’ ny rano madio;
Hebr Mg1865 10:23  aoka hohazonintsika mafy ny fanekena ny fanantenana mba tsy hihozongozonany (fa mahatoky Ilay efa nanao ny teny fikasana);
Hebr Mg1865 10:24  ary aoka isika hifampandinika hampandroso ny fitiavana sy ny asa tsara;
Hebr Mg1865 10:25  aza mahafoy ny fiarahantsika miangona, tahaka ny fanaon’ ny sasany, fa mifananara kosa, mainka satria hitanareo fa mihantomotra ny andro.
Hebr Mg1865 10:26  Fa raha minia manota isika rehefa nahazo ny fahalalana tsara ny marina, dia tsy misy fanatitra noho ny ota intsony,
Hebr Mg1865 10:27  fa fiandrasana mahatahotra amin’ ny fitsarana ary fahatezerana mirehitra izay handany ny fahavalo rehetra kosa.
Hebr Mg1865 10:28  Izay manohitra ny lalàn’ i Mosesy dia maty amin’ ny tenin’ ny vavolombelona roa na telo ka tsy asiana famindram-po;
Hebr Mg1865 10:29  manao ahoana kosa ary no hamafin’ ny fampijaliana ataonareo tokony hihatra amin’ izay nanitsaka ny Zanak’ Andriamanitra ka nanao ny ran’ ny fanekena izay nanamasinana azy ho zavatra tsy masìna sady naniratsira ny Fanahin’ ny fahasoavana?
Hebr Mg1865 10:30  Fa fantatsika Izay nanao hoe: “Ahy ny famaliana; Izaho no hamaly;” ary koa: “Jehovah hitsara ny olony”.
Hebr Mg1865 10:31  Zavatra mahatahotra ny ho azon’ ny tànan’ Andriamanitra velona.
Hebr Mg1865 10:32  Fa tsarovy ny andro fahiny izay naharetanareo ny ady mafy tamin’ ny fahoriana, rehefa nohazavaina ianareo;
Hebr Mg1865 10:33  indraindray raha natao ho fizaha noho ny fanaratsiana sy ny fampahoriana ianareo, ary indraindray koa raha tonga naman’ izay azon’ izany.
Hebr Mg1865 10:34  Fa sady niara-niaritra tamin’ izay nifatotra ianareo no nifaly raha norobaina ny fanananareo, satria fantatrareo fa ianareo dia manana fananana tsara lavitra sady maharitra.
Hebr Mg1865 10:35  Koa aza manary ny fahasahianareo izay misy valiny lehibe.
Hebr Mg1865 10:36  Fa tokony hanana faharetana ianareo raha hahazoanareo izay lazain’ ny teny fikasana, rehefa vitanareo ny sitrapon’ Andriamanitra.
Hebr Mg1865 10:37  Fa “rehefa afaka kelikely, Dia ho tonga Ilay ho avy, fa tsy hitaredretra”
Hebr Mg1865 10:38  Ary “ny oloko marina dia ho velon’ ny finoana;” Fa raha mihemotra izy, dia tsy sitraky ny fanahiko.
Hebr Mg1865 10:39  Fa isika tsy mba naman’ izay mihemotra ho amin’ ny fahaverezana, fa naman’ izay mino ho amin’ ny famonjena ny fanahy.