HEBREWS
Chapter 3
Hebr | Mg1865 | 3:1 | Koa amin’ izany, ry rahalahy masìna, mpiombona ny fiantsoana avy any an-danitra, hevero ny Apostoly sy Mpisoronabe Izay ekentsika, dia Jesosy, | |
Hebr | Mg1865 | 3:2 | Izay mahatoky ny nanendry Ary, tahaka an’ i Mosesy koa tao amin’ ny tranon’ Andriamanitra rehetra. | |
Hebr | Mg1865 | 3:3 | Fa Izy dia natao miendrika hanam-boninahitra noho Mosesy, araka ny ananan’ ny mpanao trano voninahitra bebe kokoa noho ny trano nataony. | |
Hebr | Mg1865 | 3:4 | Fa ny trano rehetra dia samy nisy mpanao azy; fa Izay nanao ny zavatra rehetra kosa dia Andriamanitra. | |
Hebr | Mg1865 | 3:5 | Ary Mosesy dia mpanompo nahatoky tao amin’ ny tranon’ Andriamanitra rehetra, ho fanambarana izay zavatra mbola holazaina; | |
Hebr | Mg1865 | 3:6 | fa Kristy kosa dia Zanaka manapaka ny tranon’ Andriamanitra; ary isika no tranony, raha hazonintsika mafy hatramin’ ny farany ny fahasahiana sy ny firavoravoana momba ny fanantenana. | |
Hebr | Mg1865 | 3:8 | Aza manamafy ny fonareo tahaka ny tamin’ ny fahasosorana, tamin’ ny andro fakam-panahy tany an-efitra, | |
Hebr | Mg1865 | 3:9 | Izay nakan’ ny razanareo fanahy Ahy tamin’ ny nizahany toetra Ahy, Ary nahita ny asako efa-polo taona izy. | |
Hebr | Mg1865 | 3:10 | Koa tezitra tamin’ izany taranaka izany Aho Ka nanao hoe: Ireo dia maniasia amin’ ny fony mandrakariva Ka tsy nahalala ny lalako; | |
Hebr | Mg1865 | 3:11 | Ary araka izany no nianianako tamin’ ny fahatezerako hoe: Tsy hiditra amin’ ny fitsaharako mihitsy izy". | |
Hebr | Mg1865 | 3:12 | Tandremo, ry rahalahy, fandrao hisy aminareo hanana fo ratsy tsy mino ka hiala amin’ Andriamanitra velona; | |
Hebr | Mg1865 | 3:13 | fa mifananara isan’ andro, raha mbola atao hoe “Anio”; fandrao hisy aminareo ho tonga mafy fo noho ny famitahan’ ny ota. | |
Hebr | Mg1865 | 3:14 | Fa efa tonga mpiombona amin’ i Kristy isika, raha mihazona mafy ny fiandohan’ ny fahatokiantsika hatramin’ ny farany; | |
Hebr | Mg1865 | 3:15 | raha atao hoe: “Anio, raha hihaino ny feony ianareo, Aza manamafy ny fonareo tahaka ny tamin’ ny fahasosorana.”. | |
Hebr | Mg1865 | 3:16 | Fa iza moa no nahatezitra Azy, rehefa nandre? Tsy izay rehetra nentin’ i Mosesy niala tany Egypta va? | |
Hebr | Mg1865 | 3:17 | Ary iza no nahatezitra Azy efa-polo taona? Tsy izay nanota va, ka dia niampatrampatra tany an-efitra ny fatiny? | |
Hebr | Mg1865 | 3:18 | Ary iza no nianianany fa tsy hiditra any amin’ ny fitsaharany, afa-tsy izay tsy nanaiky? | |