ZECHARIAH
Chapter 5
Zech | Mg1865 | 5:2 | Ary hoy izy tamiko: Inona moa no hitanao? Dia hoy izaho: Mahita horonan-taratasy manidina aho; roa-polo hakiho ny lavany, ary folo hakiho ny sakany. | |
Zech | Mg1865 | 5:3 | Dia hoy izy tamiko: Izany no ozona mivoaka ho eny amin’ ny tany rehetra; fa izay rehetra mangalatra dia hosorohina araka izany, ary izay rehetra mianiana dia hosorohina araka izany koa. | |
Zech | Mg1865 | 5:4 | Ho entiko mivoaka izany, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro, ka hiditra ao an-tranon’ ny mpangalatra sy ao an-tranon’ izay mianian-tsy tò amin’ ny anarako ary hitoetra ao amin’ ny tranony ka handevona azy mbamin’ ny hazony sy ny vatony. | |
Zech | Mg1865 | 5:5 | Dia nivoaka ilay anjely niresaka tamiko ka nanao tamiko hoe: Atopazy ny masonao, ka jereo io mivoaka io. | |
Zech | Mg1865 | 5:6 | Dia hoy izaho: Inona moa io? Ary hoy izy: Io ilay vata famarana’ mivoaka. Hoy koa izy: Izao no tarehiny any amin’ ny tany rehetra | |
Zech | Mg1865 | 5:7 | (ary, indro, nisy vongam-piraka boribory naingaina); ary io no vehivavy iray mipetraka ao anatin’ ny vata famarana. | |
Zech | Mg1865 | 5:8 | Ary hoy izy: Faharatsiana io. Ka dia natontany tao anatin’ ny vata famarana io; ary natontany teo am-bavan’ io ny vato firaka. | |
Zech | Mg1865 | 5:9 | Dia natopiko ny masoko, ka hitako fa, indreo, nisy vehivavy roa nivoaka, ary nahazo rivotra ny elany, fa nanana elatra toy ny elatry ny vano izy; ary naingainy ho eo anelanelan’ ny tany sy ny lanitra ny vata famarana. | |
Zech | Mg1865 | 5:10 | Dia hoy izaho tamin’ ilay anjely niresaka tamiko: Ho aiza no itondran’ ireto ny vata famarana. | |