ZECHARIAH
Chapter 8
Zech | Mg1865 | 8:2 | Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Saro-piaro dia saro-piaro an’ i Ziona Aho, eny, saro-piaro azy amin’ ny fahatezerana mafy Aho. | |
Zech | Mg1865 | 8:3 | Izao no lazain’ i Jehovah: Efa tafaverina ho eto Ziona Aho ka honina eto afovoan’ i Jerosalema; ary Jerosalema dia hatao hoe Tanànan’ ny fahamarinana, ary ny tendrombohitr’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, dia hatao hoe Tendrombohitra masìna. | |
Zech | Mg1865 | 8:4 | Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Mbola hisy lahy antitra sy vavy antitra hipetraka eny an-dalamben’ i Jerosalema, samy hitehina amin’ ny tehina eny an-tànany isan-olona noho ny fahanterany; | |
Zech | Mg1865 | 8:5 | ary eny an-dalambe any an-tanàna dia ho feno ankizilahy madinika sy ankizivavy madinika milalao eny an-dalambe. | |
Zech | Mg1865 | 8:6 | Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Raha mahagaga izany eo imason’ ny sisa amin’ ity firenena ity amin’ izany andro izany, moa hahagaga eo imasoko koa va? hoy Jehovah, Tompon’ ny maro. | |
Zech | Mg1865 | 8:7 | Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Indro, hamonjy ny oloko avy any amin’ ny tany atsinanana sy amin’ ny tany andrefana Aho; | |
Zech | Mg1865 | 8:8 | ary hitondra azy Aho, ka honina any Jerosalema izy; dia ho oloko izy, ary Izaho kosa ho Andriamaniny amin’ ny fahamarinana sy ny fahitsiana. | |
Zech | Mg1865 | 8:9 | Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Aoka hatanjaka ny tananareo izay mandre izany teny izany amin’ izao andro izao avy amin’ ny vavan’ ny mpaminany, izay teo tamin’ ny andro nanaovana ny fanorenan’ ny tranon’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, dia ny nanaovana ny tempoly. | |
Zech | Mg1865 | 8:10 | Fa talohan’ izany andro izany dia tsy nisy valim-pahasasarana ho an’ ny olona, na valim-pahasasarana ho an’ ny biby fiompy; ary tsy nisy fiadanana ho an’ izay nivoaka sy izay niditra noho ny fahavalo, fa nalefako samy hifamely amin’ ny namany avy ny olona rehetra. | |
Zech | Mg1865 | 8:11 | Fa amin’ izay kosa dia tsy ho toy ny tamin’ ny fahiny intsony amin’ ny sisa amin’ ity firenena ity Aho, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro. | |
Zech | Mg1865 | 8:12 | Fa hisy vokatry ny fiadanana, ny voaloboka hamoa, ary ny tany hahavokatra, ary ny lanitra hampilatsaka ny andony, ary ny sisa amin’ ity firenena ity no hampandovaiko izany rehetra izany. | |
Zech | Mg1865 | 8:13 | Ary toy ny nahatongavanareo ho fanozonana tany amin’ ny firenena, ry taranak’ i Joda sy ry taranak’ Isiraely, dia ho toy izany no hamonjeko anareo, ka dia ho tonga fitsofan-drano kosa ianareo; aza matahotra, fa aoka hatanjaka ny tananareo. | |
Zech | Mg1865 | 8:14 | Fa izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Toy ny nisainako hahatonga loza aminareo tamin’ ny nampahatezeran’ ny razanareo Ahy, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro, ka tsy nanenina Aho, | |
Zech | Mg1865 | 8:15 | dia ho toy izany kosa no hisainako hanisy soa an’ i Jerosalema sy ny taranak’ i Joda amin’ izao andro izao: aza matahotra ianareo. | |
Zech | Mg1865 | 8:16 | Izao no zavatra hataonareo: Samia miteny marina amin’ ny namany avy ianareo; mitsarà marina, eny, mitsarà hahatonga fiadanana ao am-bavahadinareo; | |
Zech | Mg1865 | 8:17 | ary aza misy mieritreritra ao am-ponareo hanisy ratsy ny namanareo ianareo, ary aza tia fianianan-tsy tò; fa izany rehetra izany dia halako, hoy Jehovah. | |
Zech | Mg1865 | 8:19 | Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Ny fifadian-kanina amin’ ny volana fahefatra sy ny fifadian-kanina amin’ ny fahadimy sy ny fifadian-kanina amin’ ny fahafito ary ny fifadian-kanina amin’ ny fahafolo dia samy ho tonga fifaliana sy firavoravoana ary fotoana mahafinaritra avokoa ho an’ ny taranak’ i Joda; koa tiava ny fahamarinana sy ny fiadanana. | |
Zech | Mg1865 | 8:20 | Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Mbola hisy firenena sy mponina avy amin’ ny tanàna maro ho avy; | |
Zech | Mg1865 | 8:21 | ary ny mponina ao amin’ ny anankiray hankany amin’ ny anankiray kosa ka hanao hoe: Aoka handeha tokoa isika hifona amin’ i Jehovah sy hitady an’ i Jehovah, Tompon’ ny maro; izaho koa mba handeha. | |
Zech | Mg1865 | 8:22 | Eny, ho avy ny olona maro sy ny firenena mahery mba hitady an’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, any Jerosalema sy hifona amin’ i Jehovah. | |