ZECHARIAH
Chapter 2
Zech | Mg1865 | 2:2 | Ary hoy izaho tamin’ ilay anjely niresaka tamiko: Inona moa ireo? Dia hoy izy tamiko: Ireo no tandroka izay nampihahaka ny Joda sy ny Isiraely ary Jerosalema. | |
Zech | Mg1865 | 2:4 | Dia hoy izaho: Avy hanao inona moa ireto? Ary Izy nanao hoe: Ireo no tandroka nampihahaka ny Joda, ka tsy nisy olona nanandrandra loha; fa ireto kosa dia avy hampahatahotra azy mba hampiongana ny tandroky ny firenena, dia izay nanandratra ny tandrony tamin’ ny tanin’ ny Joda hanely azy. | |
Zech | Mg1865 | 2:5 | Dia natopiko ny masoko, ka hitako fa, indro, nisy lehilahy manana kofehy famolaina eny an-tànany. | |
Zech | Mg1865 | 2:6 | Dia hoy izaho: Ho aiza moa ianao? Ary hoy izy tamiko: Handrefy an’ i Jerosalema hizaha ny sakany sy ny lavany aho. | |
Zech | Mg1865 | 2:7 | Ary, indro, nivoaka ilay anjely niresaka tamiko, ary nisy anjely anankiray koa nivoaka hitsena azy | |
Zech | Mg1865 | 2:8 | ka nanao taminy hoe: Mihazakazaha, ka milazà amin’ io zatovo io hoe: Honenana toy ny tanana tsy mimanda Jerosalema noho ny hamaroan’ ny olona sy ny biby fiompy ao aminy. | |
Zech | Mg1865 | 2:10 | He! he! mandosira avy any amin’ ny tany avaratra, hoy Jehovah; fa aeliko ho toy ny rivotra efatry ny lanitra ianareo, hoy Jehovah. | |
Zech | Mg1865 | 2:12 | Fa izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Hampiseho voninahitra no nanirahany ahy tany amin’ ny firenena izay namabo anareo; fa izay mikasika anareo dia mikasika ny anakandriamasony. | |
Zech | Mg1865 | 2:13 | Fa, indro, hahinjitro eo amboniny ny tanako, ka hobaboin’ ireo nanompo azy izy; dia ho fantatrareo fa Jehovah, Tompon’ ny maro, no naniraka ahy. | |
Zech | Mg1865 | 2:14 | Mihobia sy mifalia, ry Ziona zanakavavy, fa, indro, avy honina ao afovoanao Aho, hoy Jehovah. | |
Zech | Mg1865 | 2:15 | Ary firenena maro no hanaiky ho an’ i Jehovah amin’ izany andro izany ka ho oloko; ary hitoetra ao afovoanao aho, ka dia ho fantatrao fa Jehovah, Tompon’ ny maro, no naniraka ahy ho aminao. | |
Zech | Mg1865 | 2:16 | Ary Jehovah hanana an’ i Joda ho anjarany ao amin’ ny tany masìna ary mbola hifidy an’ i Jerosalema indray. | |