Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
I PETER
1 2 3 4 5
Prev Up Next Toggle notes
Chapter 5
I Pe Mg1865 5:1  Koa ny amin’ ny loholona izay eo aminareo, izaho, izay naman ny loholona sy vavolombelon’ ny fijalian’ i Kristy ary mpiombona ny voninahitra efa haseho koa, dia mananatra azy hoe:
I Pe Mg1865 5:2  Andraso ny ondrin’ Andriamanitra izay eo aminareo, mitandrina azy tsy an-terỳ, fa amin’ ny sitrapo [araka an’ Andriamanitra]; tsy amin’ ny fitiavana harena maloto, fa amin’ ny zotom-panahy; *
I Pe Mg1865 5:3  tsy ho mpanjakazaka, amin’ ny anjara-fiandrasana, fa ho fianaran’ ny ondry.
I Pe Mg1865 5:4  Ary rehefa miseho ny Lohan’ ny mpiandry, dia hahazo ny satro-boninahitra tsy mety simba ianareo,
I Pe Mg1865 5:5  Ary ianareo izay mbola tanora fanahy kosa, dia maneke ny loholona. Eny, samia misikìna fanetren-tena ianareo ka mifanompoa; fa “Andriamanitra manohitra ny miavonavona, fa manome fahasoavana ho an’ ny manetry tena”.
I Pe Mg1865 5:6  Koa amin’ izany manetre tena ambanin’ ny tàna-maherin’ Andriamanitra, mba hanandratany anareo amin’ ny fotoan’ andro;
I Pe Mg1865 5:7  ary apetraho aminy ny fanahianareo rehetra; fa Izy no miahy anareo.
I Pe Mg1865 5:8  Mahonòna tena, miambena: fa ny devoly fahavalonareo mandehandeha tahaka ny liona mierona mitady izay harapany;
I Pe Mg1865 5:9  tohero izy, ka miorena tsara amin’ ny finoana ianareo, satria fantatrareo fa izany fahoriana izany dia manjo ny rahalahinareo rehetra eran’ izao tontolo izao.
I Pe Mg1865 5:10  Ary Andriamanitry ny fahasoavana rehetra, Izay efa niantso anareo ho any amin’ ny voninahiny mandrakizay ao amin’ i Kristy, rehefa niaritra fahoriana vetivety ianareo, dia Izy no hahatanteraka sy hampiorina ary hampitoetra anareo.
I Pe Mg1865 5:11  Ho Azy anie ny fanjakana mandrakizay mandrakizay. Amena.
I Pe Mg1865 5:12  Efa manoratra teny fohifohy ho aminareo aho hampitondraina an’ i Silasy, izay ataoko ho rahalahy mahatoky, dia mananatra anareo aho ka manambara fa izany no tena fahasoavan’ Andriamanitra,― tomoera tsara amin’ izany ianareo.
I Pe Mg1865 5:13  Izay any Babylona, voafidy ho namanareo, manao veloma anareo, ary Marka zanako koa.
I Pe Mg1865 5:14  Mifanaova veloma amin’ ny fanoroham-pitiavana. Ho aminareo rehetra izay ao amin’ i Kristy anie ny fiadanana.