Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
I PETER
1 2 3 4 5
Prev Up Next Toggle notes
Chapter 4
I Pe Mg1865 4:1  Koa satria niaritra tamin’ ny nofo Kristy, dia alao mba ho fiadianareo izany saina izany; fa izay niaritra tamin’ ny nofo dia efa afaka tamin’ ny ny ota;
I Pe Mg1865 4:2  mba tsy handanianareo ny andro sisa iainanareo amin’ ny nofo araka ny filan’ ny olona intsony, fa araka ny sitrapon’ Andriamanitra.
I Pe Mg1865 4:3  Fa ampy izay ny andro lasa ho nanaovana ny fanaon’ ny jentilisa tamin’ ny nandehanana tamin’ ny fijejojejoana sy ny fanirian-dratsy sy ny fimamoana sy ny filalaovan-dratsy sy ny fisotroan-toaka ary ny fanompoan-tsampy izay fady indrindra;
I Pe Mg1865 4:4  ary amin’ izany dia gaga izy ireo, satria tsy miara-mihazakazaka aminy ianareo amin’ izany fanaranam-po amin’ ny ratsy izany, ka dia teneniny ratsy;
I Pe Mg1865 4:5  nefa hampamoahin’ ilay efa vonona hitsara ny velona sy ny maty
I Pe Mg1865 4:6  Fa noho izany no nitoriana ny filazantsara tamin’ izay maty aza; mba hotsaraina araka ny olona amin’ ny nofo izy fa ho velona araka an’ Andriamanitra amin’ ny fanahy.
I Pe Mg1865 4:7  Fa antomotra ny faran’ ny zavatra rehetra; koa hendre ka mahonòna tena ho amin’ ny fivavahana.
I Pe Mg1865 4:8  Ary mihoatra noho ny zavatra rehetra, mifankatiava tsara; fa “ny fitiavana manarona fahotana maro”
I Pe Mg1865 4:10  Samia mifanompo araka ny fanomezam-pahasoavana izay noraisinareo, dia tahaka ny mpitandrina tsara ny fahasoavana maro samy hafa izay an’ Andriamanitra.
I Pe Mg1865 4:11  Rana misy olona miteny, dia aoka izy hiteny toy ny milaza tenin’ Andriamanitra, raha misy olona manompo, dia aoka izy hanao izany araka ny hery izay omen’ Andriamanitra azy; mba hankalazana an’ Andriamanitra amin’ ny zavatra rehetra amin’ ny alalan’ i Jesosy Kristy; fa Azy ny voninahitra sy ny fanjakana mandrakizay mandrakizay. Amena,
I Pe Mg1865 4:12  Ry malala, aza gaga noho ny fizahan-toetra mahamay izay mahazo anareo ho fitsapan-toetra, ary aza atao ho zavatra mahagaga manjo anareo izany,
I Pe Mg1865 4:13  fa araka ny iombonanareo fijaliana amin’ i Kristy, dia mifalia, mba hiravoravoanareo indrindra amin’ ny fisehoan’ ny voninahiny koa.
I Pe Mg1865 4:14  Sambatra ianareo, raha haratsina noho ny anaran’ i Kristy, fa ny Fanahin’ ny voninahitra, dia ny Fanahin’ Andriamanitra, mipetraka ao aminareo.
I Pe Mg1865 4:15  Fa aoka tsy hisy aminareo hijaly satria mpamono olona, na mpangalatra, na mpanao ratsy, na mpiraharaha ny an’ olona.
I Pe Mg1865 4:16  Fa raha misy mijaly satria Kristiana, dia aoka tsy ho menatra izy; fa aoka hankalaza an’ Andriamanitra amin’ izany anarana izany izy.
I Pe Mg1865 4:17  Fa tonga ny andro hiantombohan’ ny fitsarana hatrao amin’ ny ankohonan’ Andriamanitra; ary raha miantomboka amintsika izany, dia hanao ahoana kosa no hiafaran’ izay tsy manaiky ny filazantsaran’ Andriamanitra?
I Pe Mg1865 4:18  Ary “raha saiky tsy voavonjy ny marina, aiza no hisehoan ny ratsy fanahy sy sy ny mpanota?”.
I Pe Mg1865 4:19  Koa izay mitondra fahoriana araka ny sitrapon’ Andriamanitra, dia aoka ny fanaovan-tsoa no hanolorany ny fanahiny ho an’ ilay mahatoky, dia ny Mpanao azy.