REVELATION OF JOHN
Chapter 5
Reve | Mg1865 | 5:1 | Ary hitako fa, indro, nisy boky voasoratra tao anatiny sy teo ivohony, voapetaka mafy tamin’ ny tombo-kase fito, teo an-tanana ankavanan’ ilay nipetraka teo ambonin’ ny seza fiandrianana. | |
Reve | Mg1865 | 5:2 | Ary hitako fa, indro, nisy anjely mahery niantso tamin’ ny feo mafy hoe: Iza no miendrika hanokatra ny boky sy hamaha ny tombo-kaseny? | |
Reve | Mg1865 | 5:3 | Ary tsy nisy tany an-danitra, na tetỳ an-tany, na tany ambanin’ ny tany, nahasokatra ny boky na nahajery azy. | |
Reve | Mg1865 | 5:4 | Ary nitomany mafy aho, satria tsy nisy hita miendrika hanokatra ny boky na hijery azy. | |
Reve | Mg1865 | 5:5 | Ary ny anankiray tamin’ ny loholona nanao tamiko hoe: Aza mitomany; indro, ny Liona avy amin’ ny firenen’ i Joda, dia ny Solofon’ i Davida, no efa naharesy ka hanokatra ny boky sy hamaha ny tombo-kaseny fito. | |
Reve | Mg1865 | 5:6 | Ary hitako fa, indro, teo afovoan’ ny seza fiandrianana sy ny zava-manan’ aina efatra ary teo afovoan’ ny loholona dia nisy Zanak’ ondry nitsangana tahaka ny efa voavono, nanan-tandroka fito sy maso fito, dia ny Fanahy fiton’ Andriamanitra nirahina hankany amin’ ny tany rehetra. | |
Reve | Mg1865 | 5:7 | Ary tonga Izy ka nandray ny boky teo an-tanana ankavanan’ ilay nipetraka teo ambonin’ ny seza fiandrianana. | |
Reve | Mg1865 | 5:8 | Ary rehefa nandray ny boky Izy, ny zava-manana-aina efatra sy ny loholona efatra amby roa-polo dia niankohoka teo anatrehan’ ny Zanak’ ondry, sady samy nanana lokanga sy lovia volamena feno ditin-kazo manitra izy, dia vavaka ataon’ ny olona masìna izany. | |
Reve | Mg1865 | 5:9 | Ary nihira fihiram-baovao izy ka nanao hoe: Hianao no miendrika haka ny boky sy hamaha ny tombo-kaseny; Fa voavono Hianao, Ary ny rànao no nanavotanao ho an’ Andriamanitra olona avy tamin’ ny fokom-pirenena rehetra sy ny samy hafa fiteny sy ny olona ary ny firenena rehetra; | |
Reve | Mg1865 | 5:10 | Ary efa nataonao fanjakana sy mpisorona ho an’ Andriamanitsika ireo; Ary manjaka ambonin’ ny tany izy. | |
Reve | Mg1865 | 5:11 | Ary nahita aho sady nandre feon’ anjely maro manodidina ny seza fiandrianana sy ny zava-manan’ aina ary ny loholona, ary ny Isany dia alinalina sy arivoarivo, | |
Reve | Mg1865 | 5:12 | nanao tamin’ ny feo mahery hoe: Ny Zanak’ ondry, Izay novonoina, dia miendrika handray hery sy harena sy fahendrena sy faherezana sy haja sy voninahitra ary saotra. | |
Reve | Mg1865 | 5:13 | Ary izao zavatra ary rehetra izao, na izay any an-danitra, na izay etỳ ambonin’ ny tany sy any ambanin’ ny tany, na izay any an-dranomasina mbamin’ izay rehetra ao anatiny, dia reko samy nanao hoe: Ho an’ ilay mipetraka eo ambonin’ ny seza fiandrianana sy ho an’ ny Zanak’ ondry anie ny saotra sy ny haja sy ny voninahitra ary ny fanjakana mandrakizay mandrakizay. | |