Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
REVELATION OF JOHN
Prev Up Next
Chapter 12
Reve Mg1865 12:1  Ary nisy famantarana lehibe hita tany an-danitra, dia vehivavy mitafy ny masoandro, ary ny volana no eo ambanin’ ny tongony, ary misy satro-boninahitra kintana roa ambin’ ny folo amin’ ny lohany,
Reve Mg1865 12:2  sady bevohoka izy; ary mihetsi-jaza izy ka mitaraina, satria marary fatratra efa hiteraka.
Reve Mg1865 12:3  Ary nisy famantarana hafa koa hita tany an-danitra, ka, indro, nisy dragona mena lehibe manan-doha fito sy tandroka folo, ary misy diadema fito amin’ ny lohany.
Reve Mg1865 12:4  Ary ny rambony dia manala ny ampahatelon’ ny kintana amin’ ny lanitra ka manjera ireny ho amin’ ny tany; ary ny dragona nijanona teo anatrehan’ ilay vehivavy efa hiteraka mba handrapaka ny zanany, raha vao teraka;
Reve Mg1865 12:5  ary niteraka zazalahy izy, izay efa hanapaka ny firenena rehetra amin’ ny tehim-by; ary ny zanany novonjena faingana nakarina ho any amin’ Andriamanitra, dia ho any amin’ ny seza fiandrianany.
Reve Mg1865 12:6  Ary ravehivavy kosa nandositra nankany an-efitra, izay nisy fitoerany namboarin’ Andriamanitra, mba hovelomina any enim-polo amby roan-jato amby arivo andro izy.
Reve Mg1865 12:7  Ary nisy ady tany an-danitra: Mikaela sy ny anjeliny niady tamin’ ilay dragona; ary ilay dragona mbamin’ ny anjeliny kosa dia niady,
Reve Mg1865 12:8  nefa tsy naharesy, sady tsy nisy fitoerana ho azy intsony tany an-danitra.
Reve Mg1865 12:9  Ary nazera ilay dragona, dia ilay menarana ela, izay atao hoe devoly sy Satana, izay mamitaka izao tontolo izao; dia nazera tamin’ ny tany izy, ary ny anjeliny koa niaraka nazera taminy.
Reve Mg1865 12:10  Dia nahare feo mahery tany an-danitra aho nanao hoe: Ankehitriny dia tonga ny famonjena sy ny hery sy ny fanjakan’ Andriamanitsika, Ary ny fahefan’ ny Kristiny, Satria nazera ilay mpiampanga ny rahalahintsika, dia ilay miampanga azy eo anatrehan’ Andriamanitsika andro aman’ alina.
Reve Mg1865 12:11  Ary izy ireo naharesy azy noho ny amin’ ny ran’ ny Zanak’ ondry Sy ny teny filazana Azy, Ary tsy nankamamy ny ainy intsony iry, na dia ho faty aza.
Reve Mg1865 12:12  Ary noho izany mifalia, ry lanitra sy ianareo izay monina ao aminy. Loza ho an’ ny tany sy ny ranomasina! Fa nidina ho aminareo ny devoly sady manana fahatezerana lehibe, Satria fantany fa kely sisa ny androny.
Reve Mg1865 12:13  Ary rehefa hitan’ ilay dragona fa nazera tamin’ ny tany izy, dia nanenjika ilay vehivavy niteraka ny zazalahy izy.
Reve Mg1865 12:14  Ary ilay vehivavy nomena ny elatra roa an’ ny voromahery lehibe hanidinany ho any an-efitra, ho any amin’ ny fitoerany, izay itaizana azy fetr’ andro iray sy fetr’ andro roa ary antsasaky ny fetr’ andro, mba tsy ho hitan’ ilay menarana izy.
Reve Mg1865 12:15  Ary ilay menarana namoaka rano tamin’ ny vavany, toy ny riaka, hanaraka an-dravehivavy, mba hindaosin’ ny riaka iry.
Reve Mg1865 12:16  Nefa ny tany namonjy an-dravehivavy, fa nivava ny tany ka nitelina ny riaka izay navoaky ny dragona tamin’ ny vavany.
Reve Mg1865 12:17  Dia tezitra tamin’ ilay vehivavy ny dragona ka lasa nandeha hiady tamin’ ny zanany sisa, izay mitandrina ny didin’ Andriamanitra sy mitana ny filazana an’ i Jesosy. Ary nitsangana teo ambonin’ ny fasiky ny ranomasina izy.