Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
REVELATION OF JOHN
Prev Up Next
Chapter 7
Reve Mg1865 7:1  Rehefa afaka izany, dia hitako fa, indreo, nisy anjely efatra nitsangana teo amin’ ny vazan-tany efatra, nihazona ny rivotra efatra amin’ ny tany, mba tsy nisy rivotra hitsoka amin’ ny tany, na amin’ ny ranomasina, na amin’ ny hazo akory aza.
Reve Mg1865 7:2  Ary hitako fa, indro, nisy anjely hafa koa niakatra avy tany amin’ ny fiposahan’ ny masoandro, nanana ny fanombohan-kasen’ Andriamanitra velona; ary iry niantso ny anjely efatra izay navela hanimba ny tany sy ny ranomasina tamin’ ny feo mahery nanao hoe:
Reve Mg1865 7:3  Aza manimba ny tany, na ny ranomasina, na ny hazo, mandra-panisinay tombo-kase eo anin’ ny handrin’ ny mpanompon’ Andriamanitsika.
Reve Mg1865 7:4  Ary nahare ny isan’ izay voaisy tombo-kase aho: efatra arivo amby efatra alina amby iray hetsy no voaisy tombo-kase avy tamin’ ny firenen’ ny Zanak’ isiraely rehetra.
Reve Mg1865 7:5  Avy tamin’ ny firenen’ i Joda roa arivo amby iray alina no voaisy tombo-kase. Avy tamin’ ny firenen’ i Robena roa arivo amby iray alina. Avy tamin’ ny firenen’ i Gada roa arivo amby iray alina.
Reve Mg1865 7:6  Avy tamin’ ny firenen’ i Asera roa arivo amby iray alina. Avy tamin’ ny firenen’ i Naftaly roa arivo amby iray alina. Avy tamin’ ny firenen’ i Manase roa arivo amby iray alina.
Reve Mg1865 7:7  Avy tamin’ ny firenen’ i Simeona roa arivo amby iray alina. Avy tamin’ ny firenen’ i Levy roa arivo amby iray alina. Avy tamin’ ny firenen’ Isakara roa arivo amby iray alina.
Reve Mg1865 7:8  Avy tamin’ ny firenen’ i Zebolona roa arivo amby iray alina. Avy tamin’ ny firenen’ i Josefa roa arivo amby iray alina. Avy tamin’ ny firenen’ i Benjamina roa arivo amby iray alina no voaisy tombo-kase.
Reve Mg1865 7:9  Rehefa afaka izany dia hitako fa, indreo, nisy olona betsaka tsy tambo isaina avy tamin’ ny firenena rehetra sy ny fokom-pirenena sy ny olona ary ny samy hafa fiteny nitsangana teo anoloan’ ny seza fiandrianana sy teo anatrehan’ ny Zanak’ ondry, niakanjo akanjo fotsy lava sady nitana sampan-drofia teny an-tànany,
Reve Mg1865 7:10  dia niantso tamin’ ny feo mahery izy nanao hoe: Ny famonjena anie ho an’ Andriamanitsika, Izay mipetraka eo ambonin’ ny seza fiandrianana, sy ho an’ ny Zanak’ ondry.
Reve Mg1865 7:11  Ary ny anjely rehetra nitsangana manodidina ny seza fiandrianana mbamin’ ny loholona sy ny zava-manan’ aina efatra, dia niankohoka teo anoloan’ ny seza fiandrianana izy ka nivavaka tamin’ Andriamanitra
Reve Mg1865 7:12  nanao hoe: Amena! Ny saotra sy ny voninahitra sy ny fahendrena sy ny fisaorana sy ny haja sy ny hery ary ny faherezana anie Ho an’ Andriamanitsika mandrakizay mandrakizay. Amena.
Reve Mg1865 7:13  Ary ny anankiray tamin’ ny loholona namaly ka nanao tamiko hoe: Iza moa ireo miakanjo akanjo fotsy lava? Ary avy taiza izy?
Reve Mg1865 7:14  Fa hoy iraho taminy: Tompoko, ianao no mahalala. Dia hoy iry tamiko: Ireo no avy tamin’ ny fahoriana lehibe, ary ny akanjony nosasany sy nofotsiany tamin’ ny ran’ ny Zanak’ ondry.
Reve Mg1865 7:15  Ary noho izany ny akanjony nosasany sy mitoetra eo anoloan’ ny seza fiandrianan’ Andriamanitra izy ka manompo Azy andro aman’ alina eo amin’ ny tempoliny; ary Ilay mipetraka eo ambonin’ ny seza fiandrianana dia hamelatra ny trano-lainy handrakotra ary.
Reve Mg1865 7:16  Tsy ho noana na hangetaheta intsony ireo; ary tsy haninona azy ny masoandro na izay hafanana akory.
Reve Mg1865 7:17  Fa ny Zanak’ ondry Izay eo afovoan’ ny seza fiandrianana no ho Mpiandry azy ka hitondra azy ho amin’ ny loharanon’ ny ranon’ aina; ary hofafan’ Andriamanitra ny ranomaso rehetra amin’ ny masony.