EZRA
Chapter 5
Ezra | Mg1865 | 5:1 | Ary ny mpaminany, dia Hagay mpaminany sy Zakaria, zanak’ Ido, naminany tamin’ ny Jiosy tany Joda sy Jerosalema tamin’ ny anaran’ Andriamanitry ny Isiraely izay tao aminy. | |
Ezra | Mg1865 | 5:2 | Dia nitsangana Zerobabela, zanak’ i Sealtiela, sy Jesoa, zanak’ i Jozadaka, ka nanomboka nanao ny tranon’ Andriamanitra any Jerosalema indray; ary ireo mpaminanin’ Andriamanitra ireo dia teo aminy ka nanampy azy. | |
Ezra | Mg1865 | 5:3 | Ary tamin’ izany andro izany ihany koa dia nankany amin’ ireo Tatenay, governoran’ ny etỳ an-dafin’ ny ony etỳ, sy Setara-bozenay mbamin’ ny namany; ka izao no nataony taminy: Iza no nandidy anareo hanao io trano io sy hahavita io manda io? | |
Ezra | Mg1865 | 5:5 | Nefa ny mason’ Andriamaniny nitsinjo ny loholon’ ny Joda, ka tsy nahasakana azy ireo, mandra-pahatongan’ ny teny ho any amin’ i Dariosy sy ny nahazoany ny valiny ny amin’ izany raharaha izany. | |
Ezra | Mg1865 | 5:6 | Ny tenin’ ny taratasy izay nampitondrain’ i Tatenay, governoran’ ny etỳ an-dafin’ ny ony etỳ, sy Setara-bozenay ary ny Afarsekita namany, izay amin’ ny etỳ an-dafin’ ny ony etỳ; ho any amin’ i Dariosy mpanjaka; | |
Ezra | Mg1865 | 5:7 | eny, nampitondrainy ho any aminy ny taratasy izay nisy teny toy izao: Ho an’ i Dariosy mpanjaka anie ny fiadanana be. | |
Ezra | Mg1865 | 5:8 | Aoka ho fantatry ny mpanjaka fa nankany amin’ ny tany Joda izahay ho any an-tranon’ Andriamanitra lehibe, izay atao amin’ ny vato vaventy, sady misy hazo alatsaka amin’ ny rindrin-trano, ary mandroso tsara izany asa izany sady ambinina eo an-tànany. | |
Ezra | Mg1865 | 5:9 | Dia nanontany ireo loholona ireo izahay nanao hoe: Iza no nandidy anareo hanao io trano io sy hanangana io manda io? | |
Ezra | Mg1865 | 5:10 | Nanontany ny anarany avy koa izahay mba hampahafantarinay anao sy hosoratanay ny anaran’ ny olona izay lohany; | |
Ezra | Mg1865 | 5:11 | ka izao no teny navaliny anay: Izahay dia mpanompon’ Andriamanitry ny lanitra sy ny tany ka manamboatra ny trano izay efa vita ela, fa ny mpanjaka lehibe anankiray tamin’ ny Isiraely no nanao sy nahavita azy. | |
Ezra | Mg1865 | 5:12 | Fa noho ny nampahatezeran’ ny razanay an’ Andriamanitry ny lanitra, dia natolony izy ho eo an-tànan’ i Nebokadnezara Kaldeana, mpanjakan’ i Babylona, izay efa nandrava io trano io ka nitondra ny olona ho babo tany Babylona. | |
Ezra | Mg1865 | 5:13 | Fa tamin’ ny taona voalohany nanjakan’ i Kyrosy, mpanjakan’ i Babylona, kosa dia nanao didy Kyrosy mpanjaka, mba hatao indray io tranon’ Andriamanitra io. | |
Ezra | Mg1865 | 5:14 | Ary ny fanaka volamena sy volafotsy momba ny tranon’ Andriamanitra, izay efa nalain’ i Nebokadnezara tao amin’ ny tempoly tany Jerosalema ka nentiny ho any amin’ ny tempoly any Babylona, dia nalain’ i Kyrosy mpanjaka tao amin’ ny tempoly any Babylona ka natolotra tamin’ ny anankiray atao hoe Sesbazara, izay efa notendreny ho governora; | |
Ezra | Mg1865 | 5:15 | ary hoy izy taminy: Raiso ireo fanaka ireo, ka andeha, apetraho ao amin’ ny tempoly izay any Jerosalema; ary aoka ny tranon’ Andriamanitra hatsangana eo amin’ ilay efa niorenany ihany. | |
Ezra | Mg1865 | 5:16 | Dia avy Sesbazara ka nanao ny fanorenan’ ny tranon’ Andriamanitra any Jerosalema; ary hatramin’ izany andro izany ka mandraka ankehitriny dia efa natao ihany izy, saingy tsy mbola vita. | |