EZRA
Chapter 2
Ezra | Mg1865 | 2:1 | Ary izao no olona amin’ izany tany izany izay niakatra avy amin’ ny fahababoana, izay nobaboin’ i Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, ka nentiny ho any Babylona, ary niverina ho any Jerosalema sy Joda, samy ho any an-tanànany avy, | |
Ezra | Mg1865 | 2:2 | dia ny olona izay niaraka tamin’ i Zerobabela sy Jesoa sy Nehemia sy Seraia sy Relaia sy Mordekay sy Bilsana sy Mispara sy Bigvay sy Rehoma ary Bana. Ary ny isan’ ny lehilahy tamin’ ny Isiraely dia izao: | |
Ezra | Mg1865 | 2:6 | ny taranak’ i Pahatamoaba, avy tamin’ ny zanak’ i Jesoa sy Joaba, dia roa ambin’ ny folo amby valon-jato sy roa arivo; | |
Ezra | Mg1865 | 2:25 | ny zanak’ i Kiriat-arima sy Kefira ary Berota dia telo amby efa-polo amby fiton-jato; | |
Ezra | Mg1865 | 2:36 | Ary ny mpisorona koa dia izao: Ny taranak’ i Jedaia, avy tamin’ ny mpianakavin’ i Jesoa, dia telo amby fito-polo amby sivin-jato; | |
Ezra | Mg1865 | 2:40 | Ary ny Levita koa dia izao: Ny taranak’ i Jesoa sy Kadmiela, avy tamin’ ny taranak’ i Hodavia, dia efatra amby fito-polo. | |
Ezra | Mg1865 | 2:42 | Ary ny taranaky ny mpiandry varavarana koa dia izao: Ny taranak’ i Saloma, ny taranak’ i Atera, ny taranak’ i Talmona, ny taranak’ i Akoba, ny taranak’ i Hatita, ny taranak’ i Sobay, dia sivy amby telo-polo amby zato izy rehetra. | |
Ezra | Mg1865 | 2:43 | Ary ny Netinima koa dia izao: Ny taranak’ i Ziha, ny taranak’ i Hasofa, ny taranak’ i Tabaota, | |
Ezra | Mg1865 | 2:55 | Ary ny taranaky ny mpanompon’ i Solomona koa dia izao: Ny taranak’ i Sotahy, ny taranak’ i Sofereta, ny taranak’ i Peroda, | |
Ezra | Mg1865 | 2:57 | ny taranak’ i Sefatia, ny taranak’ i Hatila, ny taranak’ i Pokereta-hazebaima, ny taranak’ i Amy. | |
Ezra | Mg1865 | 2:58 | Ny Netinima rehetra sy ny taranaky ny mpanompon’ i Solomona dia roa amby sivi-folo amby telon-jato. | |
Ezra | Mg1865 | 2:59 | Ary izao no niakatra avy tany Tela-mela sy Tela-harsa sy Keroba sy Adana ary Imera (fa tsy nahalaza ny fianakaviany sy ny firazanany izy, na avy tamin’ ny Isiraely, na tsia): | |
Ezra | Mg1865 | 2:60 | ny taranak’ i Delaia, ny taranak’ i Tobia, ny taranak’ i Nekoda, dia roa amby dimam-polo amby enin-jato. | |
Ezra | Mg1865 | 2:61 | Ary ny avy tamin’ ny taranaky ny mpisorona dia izao: Ny taranak’ i Habaia, ny taranak’ i Hakoza, ny taranak’ i Barzilay; nampaka-bady avy tamin’ ny zanakavavin’ i Barzilay Gileadita io, ka dia notononina araka ny anarany. | |
Ezra | Mg1865 | 2:62 | Ireo no nitady ny soratra filazana ny razany, fa tsy hita izany; dia natao ho tsy madio izy ka nesorina tamin’ ny fisoronana. | |
Ezra | Mg1865 | 2:63 | Ary ny governora nilaza taminy fa tsy mahazo mihinana ny zavatra masìna indrindra izy mandra-pitsangan’ izay mpisorona anankiray mitondra ny Orima sy Tomima. | |
Ezra | Mg1865 | 2:64 | Ny tontalin’ ny olona rehetra dia enim-polo amby telon-jato amby roa arivo sy efatra alina, | |
Ezra | Mg1865 | 2:65 | afa-tsy ny ankizilahiny sy ny ankizivaviny fito amby telo-polo amby telon-jato sy fito arivo; ary nisy mpihiralahy sy mpihiravavy roan-jato teo aminy; | |
Ezra | Mg1865 | 2:66 | ny soavaliny dia enina amby telo-polo amby fiton-jato; ny ampondrany dia dimy amby efa-polo amby roan-jato; | |
Ezra | Mg1865 | 2:67 | ny ramevany dia dimy amby telo-polo amby efa-jato; ny borikiny dia roa-polo amby fiton-jato sy enina arivo. | |
Ezra | Mg1865 | 2:68 | Ary ny sasany tamin’ ny lohan’ ny fianakaviana, rehefa tonga tao an-tranon’ i Jehovah tany Jerosalema, dia nanatitra tamin’ ny sitrapo hananganana ny tranon’ Andriamanitra eo amin’ ilay efa niorenany. | |
Ezra | Mg1865 | 2:69 | Nanome araka izay nananany avy izy hanampy ny vola voavory hanaovana ny asa, dia darika volamena arivo sy enina alina ary mane volafotsy dimy arivo ary akanjo-mpisorona zato. | |