Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
ISAIAH
Prev Up Next
Chapter 58
Isai Mg1865 58:1  Ezaho ny fiantsonao, fa aza atao malemy, Asandrato ny feonao ho tahaka ny an’ ny anjomara, ka ambarao amin’ ny oloko ny fahadisoany Ary amin’ ny taranak’ i Jakoba ny fahotany;
Isai Mg1865 58:2  Nefa Izaho mbola tadiaviny ihany isan’ andro isan’ andro, ary ny hahalala ny lalako no sitrany. Tahaka ny firenena efa nanao ny marina ka tsy nahafoy ny fitsipik’ Andriamaniny no fanontaniany amiko ny fitsipiky ny fahamarinana, sy aniriany ny hihavian’ Andriamanitra.
Isai Mg1865 58:3  Nahoana izahay no mifady, hoy izy, nefa tsy hitanao? Ary nahoana izahay no mampahory ny tenanay, nefa tsy ahoanao? Indro fa amin’ ny andro fifadianareo aza dia mbola ny tianareo ihany no ataonareo, ary ny mpiasa rehetra ao aminareo dia ampahorinareo.
Isai Mg1865 58:4  Indro, ny hiady sy ny hifanditra no anton’ ny ifadianareo ary ny hamely amin’ ny totohondrin’ ny faharatsiana; Izao fifadianareo izao dia tsy andrenesana ny feonareo any amin’ ny avo.
Isai Mg1865 58:5  Moa fifadiana toy izany va no ankasitrahako? Dia andro hampahorian’ ny olona tena? Ny hampiondrika ny lohany tahaka ny zozoro sy ny hamelatra lamba fisaonana rarahan-davenona ho fandriany, moa izany va no ataonao hoe fifadiana sy andro ankasitrahan’ i Jehovah?
Isai Mg1865 58:6  Tsy izao va no fifadiana izay ankasitrahako: Dia ny hamaha ny famatoran’ ny faharatsiana, sy hanaboraka ny fehin’ ny zioga, sy handefa ny ampahorina ho afaka, ary hanapatapaka ny zioga rehetra?
Isai Mg1865 58:7  Moa tsy ny hizara ny mofonao ho an’ ny noana va, sy ny hampiantrano ny ory manjenjena, ary mba hanafianao izay hitanao mitanjaka, ka tsy hihirim-belona amin’ ny namanao ianao?
Isai Mg1865 58:8  Fa raha izany, dia hiposaka tahaka ny fahazavan’ ny maraina ny fahazavanao, ary ho tonga faingana ny fahasitrananao; ny fahamarinanao ho loha-lalanao, ary ny voninahitr’ i Jehovah ho vodi-lalanao
Isai Mg1865 58:9  Ary amin’ izany dia hiantso ianao, ary Jehovah hamaly; Eny, hanandratra ny feonao ianao, ary Izy hanao hoe: Inty Aho. Raha esorinao tsy ho eo aminao ny zioga sy ny fanondroan’ ny fanondro sy ny fitenenan-dratsy,
Isai Mg1865 58:10  Ary afoinao ho an’ ny noana izay hanina tianao, ka mahavoky ny ory ianao, dia hiposaka ao amin’ ny maizina ny fahazavanao, ary ny aizim-pitonao ho tahaka ny mitataovovonana;
Isai Mg1865 58:11  Ary Jehovah hitari-dalana anao mandrakariva sady hahavoky ny fanahinao ao amin’ ny tany karankaina aza sy hampahatanjaka ny taolanao; dia ho tahaka ny saha vonton-drano ianao sy ho tahaka ny loharanao miboiboika izay tsy mety ritra.
Isai Mg1865 58:12  Ary izay taranakao no hanangana ny efa rava ela, ary ny naorina hatry ny fony fahagola no hamboarinao; ary ianao dia hatao hoe mpamboatra ny rava, mpamelon-dalana honenana amin’ ny tany.
Isai Mg1865 58:13  Raha miaro ny tongotrao amin’ ny Sabata ianao ka tsy manao izay tianao amin’ ny androko masìna, ary manao ny Sabata hoe Fahafinaretana, ary ny nohamasinin’ i Jehovah hoe mendrika hohajaina, ka manome voninahitra azy ary tsy mandeha amin’ ny lalanao, na manao izay tianao, na miteniteny foana,
Isai Mg1865 58:14  Dia hiravoravo amin’ i Jehovah ianao, ary hasandratro ao amin’ ny havoana amin’ ny tany ianao, sy hofahanako amin’ ny lovan’ i Jakoba rainao; Fa ny vavan’ i Jehovah no efa niteny.