ISAIAH
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52
53
54
55
56
57
58
59
60
61
62
63
64
65
66
Chapter 34
Isai | Mg1865 | 34:1 | Manatona, ianareo jentilisa, mba handre; Ary mihainoa, ianareo firenena; Aoka handre ny tany sy ny ao aminy rehetra, Izao tontolo izao sy ny vokatra rehetra avy aminy. | |
Isai | Mg1865 | 34:2 | Fa Jehovah dia tezitra amin’ ny jentilisa rehetra, ary mirehitra amin’ ny miaramilany rehetra ny fahatezerany; Efa nodidiany haringana ireo ary natolony hovonoina. | |
Isai | Mg1865 | 34:3 | Ary izay voavono amin’ ireo dia hariana, ka hamofona ny hamaimbon’ ny fatiny, ary ny tendrombohitra hiempo azon’ ny ràny. | |
Isai | Mg1865 | 34:4 | Izay rehetra eny amin’ ny lanitra dia ho levona, Ary ny lanitra hahorona tahaka ny fangorona taratasy; Ary ny eny aminy rehetra dia halazo tahaka ny fahalazon’ ny ravina mihintsana avy amin’ ny voaloboka, ary tahaka ny ravina malazo mihintsana avy amin’ ny aviavy. | |
Isai | Mg1865 | 34:5 | Fa ny sabatro dia mamon-drà any amin’ ny lanitra; Indro, hidina hihatra amin’ i Edoma iny sy amin’ ny firenena voatendriko haringana, mba ho fitsarana azy. | |
Isai | Mg1865 | 34:6 | Ny sabatr’ i Jehovah feno rà, eny, mihosi-menaka amin’ ny matavy sy amin’ ny ran’ ny zanak’ ondry sy ny osilahy ary amin’ ny fonomboan’ ny ondrilahy; Fa Jehovah mamono zavatra hatao fanatitra ao Bozra Ary mahafaty be ao amin’ ny tany Edoma. | |
Isai | Mg1865 | 34:7 | Ary ny ombimanga miaraka aripaka aminy mbamin’ ny vantotr’ omby sy ny ombilahy, ka dia vonton-drà ny taniny, ary mihosi-menaka ny vovo-taniny. | |
Isai | Mg1865 | 34:9 | Ary hovana ho tonga dity ny renirano any Edoma, ary ho solifara ny vovo-taniny, ary ny taniny ho dity mirehitra. | |
Isai | Mg1865 | 34:10 | Na alina na andro dia tsy hovonoina izany, ary ny setrony hisavoana mandrakizay; Hatramin’ ny taranaka fara mandimby dia ho tany karankaina izy, tsy hisy handeha hamaky azy intsony mandrakizay mandrakizay. | |
Isai | Mg1865 | 34:11 | Fa ho zara-tanin’ ny sama sy ny sokina izy, ny vorondolo lehibe sy ny goaika dia hitoetra ao; Ary hohenjaniny eo aminy ny famolaina fikorontanana sy ny pilao fahafoanana. | |
Isai | Mg1865 | 34:12 | Ary ny lehibe dia tsy hisy ao intsony hifidy izay hanjaka, fa ho fongana ny mpanapaka rehetra ao aminy. | |
Isai | Mg1865 | 34:13 | Ary ho rakotry ny tsilo ny ao anatin’ ny lapan’ ny mpanjakany, amiana sy voaroy no ho ao amin’ ny trano fiarovany; Ary ho fonenan’ ny amboadia sy fitoeran’ ny ostritsa izy. | |
Isai | Mg1865 | 34:14 | Ny bibi-dia any an-efitra hihaona amin’ ny kary; ary ny osilahy hiantso ny namany; Ary ilay mandehandeha amin’ ny alina hitoetra any ka hahita fitoerana ho azy. | |
Isai | Mg1865 | 34:15 | Ny bibilava miantoratoraka hanao ny lavany any ka hanatody sy hifana ary hikotrika ao amin’ ny alokaloka any; Any koa no hiangonan’ ny papango, samy eo amin’ ny namany avy. | |
Isai | Mg1865 | 34:16 | Izahao ao amin’ ny bokin’ i Jehovah, ka vakio; Tsy misy tsy ao ireo na dia iray akory aza. Tsy misy na dia iray akory aza hitady ny namany; Fa ny vavan’ i Jehovah no nandidy izany, ary ny fanahiny ihany no nanangona azy. | |