ISAIAH
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52
53
54
55
56
57
58
59
60
61
62
63
64
65
66
Chapter 46
Isai | Mg1865 | 46:1 | Mangozohozo Bela, efa miraika Nebo, ny sampiny dia nampitondraina ny biby folahina sy ny biby fiompy; Ny zavatra fitondranareo dia asampy ka tonga enta-mavesatra entin’ ireo biby reraka. | |
Isai | Mg1865 | 46:2 | Miraika sy mangozohozo avokoa izy, ka tsy mahavonjy ny entana akory; Fa na dia ny tenany aza dia lasan-ko babo koa. | |
Isai | Mg1865 | 46:3 | Mihainoa Ahy, ry taranak’ i Jakoba sy izay sisa rehetra amin’ ny taranak’ Isiraely, izay nobabena hatrany an-kibo sy nentina hatrany am-bohoka: | |
Isai | Mg1865 | 46:4 | Na dia mandra-pahantitrareo aza, dia tsy miova Aho, ary mandra-pahafotsy volonareo, dia Izaho ihany no hisahirana mitondra anareo. Izaho no nanao, ka Izaho ihany no hitrotro, eny, izaho no hitondra sy hanafaka. | |
Isai | Mg1865 | 46:5 | Hampitovinareo amin’ iza moa Aho, sy amin’ iza no hanoharanareo Ahy ary iza no hataonareo ho tahaka Ahy mba hitahany amiko? | |
Isai | Mg1865 | 46:6 | Izay mandraraka volamena avy ao an-kitapo sy mandania volafotsy amin’ ny mizana dia manakarama mpanefy volamena mba hanao izany ho andriamanitra, hiankohofany sy hivavahany. | |
Isai | Mg1865 | 46:7 | Dia betainy ho eny an-tsorony iny ka entiny ary apetrany eo amin’ ny fitoerany iny, ka dia mitoetra eo; Tsy mahay miala eo amin’ ny fitoerany iny; ary na dia misy mitaraina aminy aza, dia tsy mahay mamaly izy, na mahavonjy azy amin’ ny fahoriany. | |
Isai | Mg1865 | 46:9 | Tsarovy ny zavatra taloha izay efa lasa ela; Fa Izaho no Andriamanitra, ka tsy misy hafa; Izaho no Andriamanitra, ka tsy misy tahaka Ahy, | |
Isai | Mg1865 | 46:10 | Izay manambara ny farany hatramin’ ny voalohany, ary nanambara hatramin’ ny ela izay tsy mbola natao akory, dia ilay manao hoe: Ho tò ny fikasako, ary hefaiko ny sitrapoko rehetra, | |
Isai | Mg1865 | 46:11 | Izay miantso vorona mpihaza avy any atsinanana, dia lehilahy avy any an-tany lavitra hahefa ny fikasako; sady efa niteny izany Aho no hahatanteraka azy koa, sady nikasa Aho no hahefa azy. | |