ISAIAH
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52
53
54
55
56
57
58
59
60
61
62
63
64
65
66
Chapter 60
| Isai | Mg1865 | 60:1 | Mitsangàna, mihazavà, fa tonga ny fahazavanao, ary ny voninahitr’ i Jehovah efa miposaka aminao. | |
| Isai | Mg1865 | 60:2 | Fa, indro, ny aizina manarona ny tany, ary ny aizim-pito manarona ny firenena; fa aminao kosa no iposahan’ i Jehovah, ary aminao no isehoan’ ny voninahiny. | |
| Isai | Mg1865 | 60:3 | Ary ny firenena manatona ny fahazavanao, ary ny mpanjaka mankeo amin’ ny famirapiratan’ ny fiposahanao. | |
| Isai | Mg1865 | 60:4 | Atopazy manodidina ny masonao ka jereo! Izy rehetra dia mivory ka mankaty aminao; Ny zanakao-lahy dia avy lavitra, ny zanakao-vavy dia sakelehina. | |
| Isai | Mg1865 | 60:5 | Ary hahita izany ianao ka ho miramirana, dia hiemponempona sady hohalehibiazina ny fonao; fa ho entina ho anao ny haren’ ny ranomasina, ary hafindra ho anao ny fananan’ ny firenena. | |
| Isai | Mg1865 | 60:6 | Ho feno ny rameva betsaka ao aminao, dia ny rameva tanora avy any Midiana sy Efaha, samy avy any Sheba izy rehetra; volamena sy ditin-kazo mani-pofona no ho entiny, ary ny fiderana an’ i Jehovah no teny mahafaly hambarany. | |
| Isai | Mg1865 | 60:7 | Ny ondry aman’ osy rehetra any kedara dia hangonina ho ao aminao, ary ny ondrilahin’ i Nebaiota hanompo anao; hiakatra amin’ ny fankasitrahana ho eo ambonin’ ny alitarako ireo, ary hataoko be voninahitra ny tranon’ ny voninahitro. | |
| Isai | Mg1865 | 60:8 | Iza moa ireto manidina tahaka ny rahona ary tahaka ny voromailala ho amin’ ny varavarankeliny? | |
| Isai | Mg1865 | 60:9 | Fa Izaho no andrasan’ ny nosy, ary ny sambon’ i Tarsisy ho loha-lalana, Hitondra ny zanakao avy lavitra mbamin’ ny volafotsiny sy ny volamenany, ho an’ ny anaran’ i Jehovah Andriamanitrao sy ho an’ ny Iray Masin’ ny Isiraely, Satria efa nanome voninahitra anao Izy. | |
| Isai | Mg1865 | 60:10 | Ary ny hafa firenena no hanangana ny mandanao, ary ny mpanjakany hanompo anao; fa tamin’ ny fahatezerako no namelezako anao. Ary amin’ ny fitiavako kosa no amindrako fo aminao, | |
| Isai | Mg1865 | 60:11 | Ary hidanadana mandrakariva ny vavahadinao, tsy hirindrina izy na andro na alina, hampidirana ny haren’ ny firenena sy ny mpanjakany izay efa voababo ho ao aminao. | |
| Isai | Mg1865 | 60:12 | Fa ho levona izay firenena sy fanjakana tsy hanompo anao; eny, ireny firenena ireny hofongorana tokoa. | |
| Isai | Mg1865 | 60:13 | Ny voninahitr’ i Libanona ho tonga aminao, ny hazo kypreso sy ny pina ary ny bokso koa handravahana ny fitoerako masìna, ary hasiako voninahitra ny fitoeran-tongotro. | |
| Isai | Mg1865 | 60:14 | Ny zanak’ izay nampahory anao dia handeha hiondrika eo anatrehanao, ary hiankohoka amin’ ny faladianao izay rehetra nanamavo anao; ary izy hanao anao hoe Tanànan’ i Jehovah, Zionan’ ny Iray Masin’ ny Isiraely. | |
| Isai | Mg1865 | 60:15 | Ho solon’ ny nahafoizana anao sy ny nankahalana anao ary ny tsy nandehanan’ olona namaky anao, dia hasandratro ho rehareha mandrakizay ianao, eny, ho fifaliana hatramin’ ny taranaka fara mandimby. | |
| Isai | Mg1865 | 60:16 | Ary hinono amin’ ny jentilisa ianao sady hinono amin’ ny mpanjaka; ka dia ho fantatrao fa Izaho Jehovah no Mpamonjy anao, ary Ilay Maherin’ i Jakoba no Mpanavotra anao. | |
| Isai | Mg1865 | 60:17 | Hahatonga volamena Aho ho solom-barahina, ary hahatonga volafotsy ho solom-by, ary varahina ho solon-kazo, ary vy ho solom-bato; ny fiadanana no hataoko fanapahana anao, ary ny fahamarinana no ho mpampiasa anao. | |
| Isai | Mg1865 | 60:18 | Ny fampahoriana tsy ho re eo amin’ ny taninao intsony, na ny fandravana sy ny fandringanana ao anatin’ ny fari-taninao; ny mandanao dia hataonao hoe Famonjena, ary ny vavahadinao hataonao hoe Fiderana. | |
| Isai | Mg1865 | 60:19 | Tsy ny masoandro intsony no ho fanazavana anao nony andro; ary tsy ny fangarangaran’ ny volana no hanazava anao; fa Jehovah no ho fanazavana anao mandrakizay, ary Andriamanitrao no ho voninahitrao. | |
| Isai | Mg1865 | 60:20 | Tsy hilentika intsony ny masoandronao, ary ny volanao tsy hisoka; fa Jehovah no ho fanazavana anao mandrakizay, ary ho tapitra ny andro fahalahelovanao. | |
| Isai | Mg1865 | 60:21 | Ary ny olonao rehetra ho marina avokoa; hanana ny tany ho mandrakizay izy, eny, ho voly maitso eo amin’ ny sahako. Asan’ ny tanako ho fampisehoam-boninahitra. | |