ISAIAH
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52
53
54
55
56
57
58
59
60
61
62
63
64
65
66
Chapter 52
Isai | Mg1865 | 52:1 | Mifohaza, mifohaza, tafio ny herinao, ry Ziona ô; tafio ny fitafianao tsara tarehy, ry Jerosalema ô, tanàna masìna; fa tsy hiditra any aminao intsony ny tsy voafora sy ny maloto. | |
Isai | Mg1865 | 52:2 | Ahintsano ny vovoka hiala amin’ ny tenanao, ka mitsangàna, ary mipetraha, ry Jerosalema ô; vahao ny fatorana amin’ ny tendanao, ry Ziona, zanakavavy babo. | |
Isai | Mg1865 | 52:3 | Fa izao no lazain’ i Jehovah: Tsy vola tsy harena no nivarotana anareo, ka dia tsy vola tsy harena koa no hanavotana anareo. | |
Isai | Mg1865 | 52:4 | Fa izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Tany Egypta no nidinan’ ny oloko tamin’ ny voalohany mba hivahiny tany; Ary ny Asyriana koa nampahory azy tsy ahoan-tsy ahoana. | |
Isai | Mg1865 | 52:5 | Ary ankehitriny inona no hataoko eto? hoy Jehovah, fa nobaboina tsy ahoan-tsy ahoana ny oloko; ny mpanapaka azy dia manakora, hoy Jehovah; ary mandrakariva dia hamavoina mandritra ny andro ny anarako. | |
Isai | Mg1865 | 52:6 | Koa ny oloko dia hahalala ny anarako; Eny, amin’ izany andro izany dia ho fantany fa Izaho no miteny hoe: Inty Aho. | |
Isai | Mg1865 | 52:7 | Akory ny hatsaran’ ny tongotr’ iry mitondra teny soa mahafaly erỳ an-tendrombohitra sady mitory fiadanana! Dia izay mitondra teny soa mahafaly sady mitory famonjena, eny, izay manao amin’ i Ziona hoe: Mpanjaka Andriamanitrao! | |
Isai | Mg1865 | 52:8 | Injany ny feon’ ny mpitilinao! Manandratra ny feony izy ka miara-mihoby; fa ho faly izy mahita mifanatri-maso ny hodian’ i Jehovah ho any Ziona. | |
Isai | Mg1865 | 52:9 | Velomy ny hoby, ry fitoeran-drava any Jerosalema; Fa Jehovah efa nampionona ny olony sady efa nanavotra an’ i Jerosalema. | |
Isai | Mg1865 | 52:10 | Jehovah efa nampiseho ny sandriny masìna teo imason’ ny firenena rehetra; ary ny faran’ ny tany rehetra hahita ny famonjen’ Andriamanitsika. | |
Isai | Mg1865 | 52:11 | Mialà, mialà ianareo, mivoaha, aza mikasika izay maloto, mivoaha avy eo aminy; madiova, ianareo izay mitondra ny fanak’ i Jehovah. | |
Isai | Mg1865 | 52:12 | Fa tsy tampoka no hivoahanareo, ary tsy lositra no handehananareo; fa Jehovah no hitarika anareo eo aloha, ary Andriamanitry ny Isiraely no ho vodi-lalanareo. | |
Isai | Mg1865 | 52:13 | Indro, ny Mpanompoko ho hita ho hendry, hisandratra sy ho ambony Izy ka ho avo indrindra. | |
Isai | Mg1865 | 52:14 | Fa toy ny nigagan’ ny maro Anao (Ny tarehiny dia simba ka hoatra ny tsy tarehin’ olombelona akory, ary ny endriny hoatra ny tsy endriky ny zanak’ olombelona), | |