ISAIAH
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52
53
54
55
56
57
58
59
60
61
62
63
64
65
66
Chapter 48
Isai | Mg1865 | 48:1 | Mihainoa, ry taranak’ i Jakoba, dia ianareo izay antsoina amin’ ny anaran’ Isiraely sy avy amin’ ny loharanon’ i Joda, ianareo izay mianiana amin’ ny anaran’ i Jehovah ary mankalaza ny anaran’ Andriamanitry ny Isiraely, kanefa tsy araka ny marina, na araka ny hitsiny; | |
Isai | Mg1865 | 48:2 | Fa milaza ny tenany ho avy amin’ ny tanana masìna izy ka miankina amin’ Andriamanitry ny Isiraely; Jehovah, Tompon’ ny maro, no anarany. | |
Isai | Mg1865 | 48:3 | Ny zavatra taloha dia efa voalazako hatramin’ ny fahiny, ary naloaky ny vavako izany sady nambarako; Tampoka no nanaovako izany, ary tonga izany. | |
Isai | Mg1865 | 48:5 | Dia nambarako taminao hatramin’ ny fahiny izany, eny, fony tsy mbola tonga aza izany, dia efa nambarako taminao rahateo, fandrao hataonao hoe: Ny sampiko no nanao izany, ary ny sarin-javatra voasokitra sy ny sarin-javatra an-idina no nandidy izany. | |
Isai | Mg1865 | 48:6 | Efa renao, ka dia jereo izany rehetra izany, moa ianareo tsy hanambara izany va? Mampandre anao zava-baovao kosa Aho hatramin’ izao, dia zavatra miafina izay tsy fantatrao. | |
Isai | Mg1865 | 48:7 | Vao izao no namoronana azy, fa tsy hatramin’ ny fahiny, ary tsy mbola nandre azy ianao talohan’ ny andro anio, fandrao ianao hanao hoe: Indro, ny efa fantatro ihany izany. | |
Isai | Mg1865 | 48:8 | Fa tsy nandre na nahalala ianao; Eny, hatramin’ ny fahiny aza no tsy mbola nisokatra ny sofinao; fa fantatro fa tena mpivadika ianao sady natao hoe mpiodina hatrany an-kibo. | |
Isai | Mg1865 | 48:9 | Noho ny anarako dia ononiko ny fahatezerako, ary mba hiderana ahy dia manindry fo aminao Aho, mba tsy hamongorana anao. | |
Isai | Mg1865 | 48:10 | Indro, nodioviko ianao, nefa tsy toy ny volafotsy; Efa nizaha toetra anao tao amin’ ny memy fahoriana Aho. | |
Isai | Mg1865 | 48:11 | Noho ny tenako, eny, noho ny tenako ihany no anaovako izany; indrisy, lotoina ny anarako! Ary ny voninahitro tsy homeko ny hafa. | |
Isai | Mg1865 | 48:12 | Mihainoa Ahy, ry Jakoba, sy y Isiraely izay nantsoiko: Tsy miova Aho; Izaho no voalohany, ary Izaho koa no farany. | |
Isai | Mg1865 | 48:13 | Eny, ny tanako no nanorina ny fanambanin’ ny tany, ary ny tanako ankavanana no namelatra ny lanitra; Raha antsoiko ireo, dia indray miseho avokoa. | |
Isai | Mg1865 | 48:14 | Mivoria ianareo rehetra, ka mihainoa: Iza moa amin’ ireny no mba efa nanambara izany; ilay tian’ i Jehovah no hahefa ny sitrapony amin’ i Babylona ary ny sandriny ho amin’ ny Kaldeana. | |
Isai | Mg1865 | 48:15 | Izaho dia Izaho ihany no miteny sady miantso azy, nitondra azy Aho, ka hambinina ny lalany. | |
Isai | Mg1865 | 48:16 | Manatona Ahy ianareo, ka mihainoa; hatramin’ ny taloha no efa tsy nitenenako tamin’ ny mangingina, hatry ny fony vao nisian’ ireo dia teo Aho, ary ankehitriny Jehovah Tompo no naniraka Ahy sy ny Fanahiny. | |
Isai | Mg1865 | 48:17 | Izao no lazain’ i Jehovah, Mpanavotra anao, dia ny Iray Masin’ ny Isiraely: Izaho, Jehovah Andriamanitrao, no nampianatra anao hahita soa sady mitarika anao amin’ ny lalana tokony halehanao. | |
Isai | Mg1865 | 48:18 | Toy izay anie ianao mba nihaino ny didiko! Dia ho tonga tahaka ny ony ny fiadananao, ary ho tahaka ny onjan-dranomasina ny fahamarinanao, | |
Isai | Mg1865 | 48:19 | Ary ho tahaka ny fasika ny taranakao, ary ny aloaky ny kibonao ho tahaka ny sombim-pasika; Ny anarany tsy ho tapaka na ho foana eo anatrehako. | |
Isai | Mg1865 | 48:20 | Mivoaha hiala any Babylona; miezaha avy any amin’ ny Kaldeana; torio amin’ ny feo mahafaly, ary ambarao, ka aelezo hatrany amin’ ny faran’ ny tany, lazao hoe: Jehovah efa nanavotra an’ i Jakoba mpanompony. | |
Isai | Mg1865 | 48:21 | Ary tsy nangetaheta ireo tamin’ ny nitondrany azy tany an-efitra; Nampiboiboika rano ho azy avy tamin’ ny vatolampy Izy, Eny, nampitresaka ny vatolampy Izy, ka dia nigororoana ny rano. | |