Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
ISAIAH
Prev Up Next
Chapter 8
Isai Mg1865 8:1  Ary hoy Jehovah tamiko: Mangalà fafana lehibe, ka soraty aminy araka ny fanoratry ny olona hoe: “Ho an’ i Mahera-salala-hasi-baza.”
Isai Mg1865 8:2  Ary haka vavolombelona mahatoky Aho, dia Oria mpisorona sy Zakaria, zanakalahin’ i Jeberekia.
Isai Mg1865 8:3  Ary nankany amin’ ny mpaminanivavy, aho; dia nanan’ anaka izy ka niteraka zazalahy. Ary hoy Jehovah tamiko: Aoka ny anarany hataonao hoe Mahera-salala-hasi-baza.
Isai Mg1865 8:4  Fa raha tsy mbola mahatonona hoe Idada na Ineny io zazalahy io, dia hobaboina eo anatrehan’ ny mpanjakan’ i Asyria ny haren’ i Damaskosy sy ny fananan’ i Samaria.
Isai Mg1865 8:5  Ary Jehovah dia mbola niteny tamiko indray hoe:
Isai Mg1865 8:6  Satria ity firenena ity mandà ny rano Siloa izay misononoka Ary mifaly amin-dRezina sy ny zanak’ i Remalia,
Isai Mg1865 8:7  Dia, indro, hampiakarin’ ny Tompo hanafotra azy ny rano be sady manonja amin’ ny Ony (Dia ny mpanjakan’ i Asyria sy ny voninahiny rehetra); Ary ny masondranony rehetra ho tondraka, Ary ny morony rehetra hihoarany;
Isai Mg1865 8:8  Dia himaona fatratra izy ka hihatra amin’ ny Joda Ary hanafotra sady mbola hisondrotra ihany Mandra-pahatongany havozona; Ary ny fipasany eny an-daniny roa dia hanenika ny taninao, ry Imanoela ô.
Isai Mg1865 8:9  Misafoaha ihany ianareo, ry firenena ô, nefa mbola ho ringana mihitsy ianareo; Ary mihainoa ihany, ry tany lavitra rehetra, misikìna ihany ianareo, nefa mbola ho ringana mihitsy; Eny, misikìna ihany ianareo, nefa mbola ho ringana mihitsy.
Isai Mg1865 8:10  Makà saina ihany ianareo, nefa mbola hofoanana izany; Milazà ihany ny teny, nefa tsy ho tanteraka izany tsy akory; Fa aminay Andriamanitra.
Isai Mg1865 8:11  Fa izao no nolazain’ i Jehovah tamiko, raha nanindry ahy mafy ny tànany, Ka nanariny tsy handeha amin’ ny falehan’ ity firenena ity aho:
Isai Mg1865 8:12  Aza mba lazainareo ho tetika fikomiana izay lazain’ ity firenena ity ho tetika fikomiana; Ary aza matahotra izay atahorany na mangovitra ianareo.
Isai Mg1865 8:13  Jehovah, Tompon’ ny maro, no hasino; Ary aoka Izy ihany no hatahoranareo, Ary Izy ihany no hangovitanareo.
Isai Mg1865 8:14  Dia ho fitoerana masìna ho anareo Izy, Fa ho vato mahatafintohina sy vatolampy mahasolafaka kosa Amin’ ny firenena roa amin’ ny Isiraely, sady ho fandrika sy tonta Amin’ ny mponina any Jerosalema.
Isai Mg1865 8:15  Ary maro ao aminy no ho tafintohina sady ho lavo sy ho ringana Ary ho voafandrika sy ho voasambotra.
Isai Mg1865 8:16  Fehezo ny teni-vavolombelona, Ary asio tombo-kase ny lalàna eo amin’ ny mpianatro.
Isai Mg1865 8:17  Ary hiandry an’ i Jehovah aho Izay manafina ny tavany amin’ ny taranak’ i Jakoba, Ka hanantena Azy ihany aho.
Isai Mg1865 8:18  Indreto, izaho sy ireo zaza nomen’ i Jehovah ahy dia famantarana sy fahagagana ao amin’ ny Isiraely Avy amin’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, Izay monina ao an-tendrombohitra Ziona.
Isai Mg1865 8:19  Ary raha lazainy aminareo hoe: Milà saina amin’ ny manao azy ho tsindrian-javatra sy ny mpanao sikidy, izay mitsiatsiaka sy miboeriboerika, Moa tsy Andriamaniny va no tokony hilan’ ny olona saina? Fa hila saina amin’ ny maty ho an’ ny velona va izy?
Isai Mg1865 8:20  Ho amin’ ny lalàna sy ny teni-vavolombelona ihany! Raha tsy miteny araka izany teny izany izy, Dia olona izay tsy hiposahan’ ny fahazavan’ ny maraina.
Isai Mg1865 8:21  Dia samy hivezivezy amin’ ny tany izy rehetra sady mahantra no mosarena; Ary rehefa mosarena izy, dia ho sosotra ka hanozona ny mpanjakany sy Andriamaniny, ary dia hiandrandra;
Isai Mg1865 8:22  Ary hijery ny tany izy, ka indro fahoriana sy fahamaizinana ary manjombona mahafadiranovana, Ary horoahina ho any amin’ ny aizim-pito izy.
Isai Mg1865 8:23  Fa tsy hanjombona mandrakariva ilay efa nozoim-pahoriana. Tamin’ ny taloha dia nataony tsinontsinona ny tany Zebolona sy ny tany Naftaly; Fa amin’ ny aoriana kosa dia homeny voninahitra ny lalana eo amoron-dranomasina, any an-dafin’ i Jordana, Dia Galilia, tanin’ ny jentilisa.