Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
REVELATION OF JOHN
Prev Up Next Toggle notes
Chapter 20
Reve Mg1865 20:1  Ary hitako fa, indro, nisy anjely nidina avy tany an-danitra, nanana ny fanalahidin’ ny lavaka tsy hita noanoa sy gadra lehibe eny an-tànany;
Reve Mg1865 20:2  dia nisambotra ilay dragona izy (dia ilay menarana ela, ny devoly sy Satana izany) ka namatotra ary arivo taona,
Reve Mg1865 20:3  dia nanipy ary ho amin’ ny lavaka tsy hita noanoa ka nanidy izany, dia nanisy tombo-kase teo amboniny, mba tsy hamitahany ny firenena maro intsony mandra-pahatapitry ny arivo taona; ary rehefa afaka izany, dia tsy maintsy hovahana kelikely aloha izy.
Reve Mg1865 20:4  Ary nahita seza fiandrianana maro aho, ary nisy nipetraka teo amboniny, ary nomena fahefana hitsara izy; ary hitako koa ny fanahin’ izay notapahin-doha noho ny filazana an’ i Jesosy sy ny tenin’ Andriamanitra sy izay rehetra tsy niankohoka teo anoloan’ ny bibi-dia na teo anoloan’ ny sariny ary tsy nandray ny marika ho eo amin’ ny handriny na ho eo amin’ ny tànany; ary velona izy ka niara-nanjaka tamin’ i Kristy arivo taona.
Reve Mg1865 20:5  Fa ny sisa amin’ ny maty dia tsy mbola velona mandra-pahatapitry ny arivo taona. Izany no fitsanganana voalohany.
Reve Mg1865 20:6  Sambatra sy masìna izay manana anjara amin’ ny fitsanganana voalohany; ireo tsy mba ananan’ ny fahafatesana faharoa fahefana, fa ho mpisoron’ Andriamanitra sy Kristy ireo ka hiara-manjaka aminy arivo taona.
Reve Mg1865 20:7  Ary rehefa tapitra ny arivo taona, dia hovahana Satana ho afaka ao amin’ ny tranomaizina nitoerany
Reve Mg1865 20:8  ka hivoaka hamitaka ny firenena eny amin’ ny vazan-tany efatra, dia Goga sy Magoga, mba hanangona ary ho any amin’ ny ady; tahaka ny fasiky ny ranomasina ny isany.
Reve Mg1865 20:9  Ary niakatra namaky ny tany izy, dia nanodidina ny tobin’ ny olona masìna sy ny tanàna malala; ary nisy afo nidina avy tany an-danitra ka nandany azy.
Reve Mg1865 20:10  Ary ny devoly izay namitaka azy dia natsipy tany amin’ ny farihy afo sy solifara, izay misy ilay bibi-dia sy ilay mpaminany sandoka koa, ary hampijalina andro amin’ alina mandrakizay mandrakizay ireo.
Reve Mg1865 20:11  Ary hitako fa, indro, nisy seza fiandrianana fotsy lehibe sy Ilay mipetraka eo amboniny; ny tany sy ny lanitra nandositra ny tavany, ka tsy nisy hitoerany intsony.
Reve Mg1865 20:12  Ary nahita ny maty aho, na ny lehibe na ny kely, nitsangana teo anoloan’ ny seza fiandrianana; ary novelarina ny boky; ary nisy boky iray koa novelarina, dia ny bokin’ ny fiainana izany; ary ny maty dia notsaraina araka izay zavatra voasoratra teo anatin’ ny boky, araka ny asany.
Reve Mg1865 20:13  Ary ny ranomasina dia namoaka ny maty tao anatiny; ary ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita namoaka ny maty tao aminy; dia samy notsaraina araka ny asany izy.
Reve Mg1865 20:14  Ary ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita dia natsipy tany amin’ ny farihy afo. Izany no fahafatesana faharoa, dia ny farihy afo.
Reve Mg1865 20:15  Ary raha nisy tsy hita voasoratra teo anatin’ ny bokin’ ny fiainana, dia natsipy tany amin’ ny farihy afo izy.