ECCLESIASTES
Chapter 11
Eccl | Mg1865 | 11:2 | Samy omeo anjara ny fito, ary na dia ny valo aza, fa tsy fantatrao izay fahoriana hanjo atỳ ambonin’ ny tany. | |
Eccl | Mg1865 | 11:3 | Raha feno ranonorana ny rahona, dia halatsany amin’ ny tany izany; ary na mianjera mianatsimo na mianavaratra ny hazo, dia eo amin’ izay ianjerany ihany no handriany. | |
Eccl | Mg1865 | 11:5 | Toy ny tsy ahafantaranao ny amin’ ny alehan’ ny rivotra, na ny amin’ ny fitombon’ ny taolana ao an-kibon’ izay manan’ anaka, dia toy izany no tsy ahafantaranao ny asan’ Andriamanitra, Mpanao ny zavatra rehetra. | |
Eccl | Mg1865 | 11:6 | Amin’ ny maraina dia afafazo ny voanao, ary amin’ ny hariva dia aza atsahatra ny tananao; fa tsy fantatrao izay ho vanona, na ny teo aloha, na ny teo aoriana, na angamba samy ho vanona avokoa izy roa tonta. | |
Eccl | Mg1865 | 11:8 | fa na dia ela velona aza ny olona, dia aoka ho faly amin’ ny androny rehetra izy ka hahatsiaro ny andro maizina, fa ho maro ireny: izay rehetra ho avy dia zava-poana. | |
Eccl | Mg1865 | 11:9 | Mifalia, ry zatovo, dieny mbola tanora ianao; ary aoka ny fonao hampifalifaly anao amin’ ny andro fahatanoranao; ka mandehana any amin’ izay sitraky ny fonao sy izay jeren’ ny masonao; nefa aoka ho fantatrao fa ho entin’ Andriamanitra hotsaraina ianao amin’ izany rehetra izany. | |