Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
ECCLESIASTES
1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12
Prev Up Next
Chapter 1
Eccl Mg1865 1:1  Ny tenin’ i Mpitoriteny, zanak’ i Davida, mpanjaka tany Jerosalema.
Eccl Mg1865 1:2  Zava-poana dia zava-poana, hoy Mpitoriteny, zava-poana dia zava-poana, eny, zava-poana ny zavatra rehetra!
Eccl Mg1865 1:3  Inona no soa azon’ ny olona amin’ ny fisasarany rehetra izay isasarany atỳ ambanin’ ny masoandro?
Eccl Mg1865 1:4  Lasa ny taranaka iray, ary mandimby kosa ny taranaka iray; fa ny tany mbola maharitra mandrakizay.
Eccl Mg1865 1:5  Ny masoandro koa miposaka ary ny masoandro milentika sady miriotra ho any amin’ ny fitoerana izay niposahany.
Eccl Mg1865 1:6  Mianatsimo ny rivotra, dia mihodìna mianavaratra, mivezivezy mandrakariva izy ka miverimberina manodidina indray.
Eccl Mg1865 1:7  Ny renirano rehetra dia samy mankamin’ ny ranomasina, nefa tsy tondraka ny ranomasina; any amin’ izay falehan’ ny renirano ihany no iverenany indray.
Eccl Mg1865 1:8  Maivana ny teny rehetra, ka tsy misy olona mahalaza; ny maso tsy mamo mijery, ary ny sofina tsy mamo mihaino.
Eccl Mg1865 1:9  Izay efa teo ihany no ho tonga indray, ary izay efa natao ihany no mbola hatao indray fa tsy misy zava-baovao akory atỳ ambanin’ ny masoandro.
Eccl Mg1865 1:10  Raha misy zavatra azo lazaina hoe: He! ity no vaovao, dia ilay efa teo ela tany amin’ ny andro talohantsika ihany izany.
Eccl Mg1865 1:11  Tsy misy fahatsiarovana ny taloha; ary ny ho avy koa dia tsy hotsarovan’ izay handimby azy.
Eccl Mg1865 1:12  Izaho Mpitoriteny dia mpanjakan’ ny Isiraely tany Jerosalema;
Eccl Mg1865 1:13  ary nampiasaiko ny foko mba hitady sy hikatsaka amim-pahendrena ny zavatra rehetra izay atao atỳ ambanin’ ny lanitra; asa mahareraka omen’ Andriamanitra hisasaran’ ny zanak’ olombelona izany.
Eccl Mg1865 1:14  Efa hitako ny zavatra rehetra izay atao atỳ ambanin’ ny masoandro; fa, indro, zava-poana sy misambo-drivotra foana izany rehetra izany.
Eccl Mg1865 1:15  Ny meloka tsy mety tonga mahitsy; ary ny tsy ao tsy mba azo isaina.
Eccl Mg1865 1:16  Hoy izaho tamin’ ny foko: Indro, izaho nahazo fahendrena be dia be mihoatra noho izay rehetra talohako teto Jerosalema; eny, ny foko nahita ny fahendrena sy ny fahalalana betsaka.
Eccl Mg1865 1:17  Ary nampiasaiko ny foko hahalala fahendrena sy hahalala fahaverezan-tsaina sy fahadalana; dia fantatro fa misambo-drivotra foana koa izany,
Eccl Mg1865 1:18  satria izay be fahendrena dia be alahelo, ary izay mitombo fahalalana dia mitombo fahoriana.