Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
ECCLESIASTES
1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12
Prev Up Next
Chapter 9
Eccl Mg1865 9:1  Fa ireto dia nalatsako tato am-poko sady nodinihiko avokoa: ny marina sy ny hendry mbamin’ ny asany dia samy eo an-tànan’ Andriamanitra avokoa; ary koa, na ho fitiavana, na ho fankahalana, dia samy tsy fantatry ny olombelona; fa zavatra mbola ho avy aminy avokoa izany rehetra izany.
Eccl Mg1865 9:2  Mitovy avokoa ny manjo ny olombelona rehetra; eny, zavatra iray ihany no manjo ny marina sy ny meloka, ny tsara fanahy sy ny madio ary ny tsy madio, ny mamono zavatra hatao fanatitra sy ny tsy mamono zavatra hatao fanatitra; mitovy ihany ny amin’ ny tsara fanahy sy ny amin’ ny mpanota, ary ny amin’ ny mianiana sy ny amin’ izay tsy sahy hianiana.
Eccl Mg1865 9:3  Izao no fahoriana amin’ izay rehetra atao atỳ ambanin’ ny masoandro: Zavatra iray ihany no manjo ny olombelona rehetra, sady feno ratsy ny fon’ ny zanak’ olombelona, ka fahadalana no ao am-pony amin’ ny andro iainany, ary nony afaka izany, dia ho any amin’ ny maty izy.
Eccl Mg1865 9:4  Fa izay rehetra isan’ ny velona dia mbola hantenaina; fa ny amboa velona no tsara noho ny liona maty.
Eccl Mg1865 9:5  Fa fantatry ny velona fa ho faty izy; fa ny maty kosa tsy mba mahalala na inona na inona, ary tsy manana valim-pitia intsony izy; fa hadino ny fahatsiarovana azy.
Eccl Mg1865 9:6  Na ny fitiavany, na ny fankahalany, na ny fialonany, dia samy efa levona ela sady tsy manana anjara intsony mandrakizay amin’ izay atao atỳ ambanin’ ny masoandro izy.
Eccl Mg1865 9:7  Mandehana, hano amin’ ny fifaliana ny haninao, ary sotroy amin’ ny fo falifaly ny divainao, fa efa nankasitrahan’ Andriamanitra ela ny asanao.
Eccl Mg1865 9:8  Aoka ho fotsy mandrakariva ny fitafianao, ary aoka tsy ho diso menaka ny lohanao.
Eccl Mg1865 9:9  Miravoravoa amin’ ny vady malalanao amin’ ny andronao rehetra mandalo foana, izay efa nomeny anao atỳ ambanin’ ny masoandro, dia ny andronao rehetra mandalo foana; fa izany no anjaranao amin’ ny andro iainanao sy amin’ ny fisasarana izay isasaranao atỳ ambanin’ ny masoandro.
Eccl Mg1865 9:10  Izay rehetra azon’ ny tananao atao dia ataovy amin’ ny herinao; fa tsy misy asa, na hevitra, na fahalalana, na fahendrena, any amin’ ny fiainan-tsi-hita izay alehanao.
Eccl Mg1865 9:11  Ary hitako atỳ ambanin’ ny masoandro indray fa tsy ho an’ ny haingan-tongotra ny fihoarana, ary tsy ho an’ ny mahery ny ady, ary tsy ho an’ ny hendry ny hanina, ary tsy ho an’ ny mazava saina ny harena, ary tsy ho an’ ny manam-pahalalana ny fitia; fa ny fotoana sy ny sampona dia samy mahazo azy rehetra.
Eccl Mg1865 9:12  Fa tsy fantatry ny olona ny androny; fa toy ny hazandrano azon’ ny harato fahitan-doza izy, ary toy ny voron-kely izay voan’ ny fandrika, dia voafandrika toy izany ny zanak’ olombelona amin’ ny andro mahory, raha mahavoa azy tampoka izany.
Eccl Mg1865 9:13  Izao koa no fahendrena efa hitako tatỳ ambanin’ ny masoandro, ka dia nataoko ho lehibe izany:
Eccl Mg1865 9:14  Nisy vohitra kely sady vitsy olona, dia avy ny mpanjaka lehibe anankiray ka namely sy nanao fahirano azy ary nanao manda lehibe hamelezany azy.
Eccl Mg1865 9:15  Ary nisy lehilahy malahelo hendry hita teo, koa nahavonjy ny tanàna tamin’ ny fahendreny ralehilahy, nefa tsy nisy olona mba nahatsiahy ilay malahelo.
Eccl Mg1865 9:16  Koa hoy izaho: Aleo fahendrena toy izay hery; kanjo hamavoina ny fahendren’ ny malahelo, ary ny teniny tsy mba henoina.
Eccl Mg1865 9:17  Ny tenin’ ny hendry izay re amin’ ny mangingina dia mahery noho ny fitreron’ izay mpanapaka adala.
Eccl Mg1865 9:18  Aleo fahendrena toy izay fiadiana; ary ny mpanota iray mahasimba ny soa be.