ECCLESIASTES
Chapter 7
Eccl | Mg1865 | 7:1 | Tsara ny laza soa noho ny menaka manitra; ary ny andro ahaterahana tsy mahaleo ny andro ahafatesana. | |
Eccl | Mg1865 | 7:2 | Tsara ny mankamin’ ny trano misy fisaonana noho ny mankamin’ ny trano misy fanasana; fa ho amin’ iny no hiafaran’ ny olombelona rehetra, ary ny velona handatsaka am-po izany. | |
Eccl | Mg1865 | 7:3 | Tsara ny alahelo noho ny hehy; fa na dia malahelo aza ny tarehy, mety tsara ihany ny fo. | |
Eccl | Mg1865 | 7:4 | Ny fon’ ny hendry dia ao amin’ ny trano misy fisaonana; fa ny fon’ ny adala kosa dia ao amin’ ny trano misy fifaliana. | |
Eccl | Mg1865 | 7:5 | Tsara ny mihaino ny anatra mafy ataon’ ny hendry noho ny mihaino ny hiran’ ny adala. | |
Eccl | Mg1865 | 7:6 | Toy ny firefodrefotry ny tsilo eo ambanin’ ny vilany, dia tahaka izany ny fihomehezan’ ny adala; zava-poana koa izany. | |
Eccl | Mg1865 | 7:8 | Tsara ny iafaran’ ny raharaha noho ny iandohany; tsara ny mahari-po noho ny miavanavom-panahy. | |
Eccl | Mg1865 | 7:9 | Aoka tsy halaky tezitra ny fanahinao; fa ny fahatezerana mitoetra ao an-tratran’ ny adala. | |
Eccl | Mg1865 | 7:10 | Aza manao hoe: Ahoana no nahatsara ny andro taloha noho ny ankehitriny? fa tsy avy amin’ ny fahendrena no anontanianao izany. | |
Eccl | Mg1865 | 7:11 | Tsara tahaka ny lova ny fahendrena, sady zava-mahasoa ho an’ izay mahita masoandro izany. | |
Eccl | Mg1865 | 7:12 | Fa fialokalofana ny fahendrena, ary fialokalofana ny vola; ary ny mahatsara ny fahalalana dia izao: Maharo ny ain’ ny manana azy ny fahendrena. | |
Eccl | Mg1865 | 7:14 | Amin’ ny andro mahafaly dia mifalia; ary amin’ ny andro mahory mieritrereta; fa nampitanandrifin’ Andriamanitra ireo, mba tsy hahitan’ ny olona akory izay ho avy any aoriany. | |
Eccl | Mg1865 | 7:15 | Izao rehetra izao dia efa hitako tamin’ ny androko mandalo foana: misy marina maty amin’ ny hamarinany; ary misy meloka ela velona amin’ ny haratsiany. | |
Eccl | Mg1865 | 7:16 | Aza marina loatra, ary aza miseho ho hendry loatra; nahoana noho simbanao ny tenanao? | |
Eccl | Mg1865 | 7:17 | Aza ratsy loatra ianao, ary aza adala; nahoana no ho faty ianao, raha tsy efa tonga ny andronao? | |
Eccl | Mg1865 | 7:18 | Tsara raha mitana iroa ianao, nefa aza mampiala ny tananao amin’ itsy; fa izay matahotra an’ Andriamanitra dia ho afaka amin’ izany rehetra izany. | |
Eccl | Mg1865 | 7:21 | Aza mihainohaino ny teny rehetra tenenina, fandrao handre ny mpanomponao manozona anao ianao; | |
Eccl | Mg1865 | 7:22 | fa fantatry ny fonao fa na dia ny tenanao aza dia mba efa nanozona ny sasany matetika ihany koa. | |
Eccl | Mg1865 | 7:23 | Izany rehetra izany dia notsapaiko tamin’ ny fahendrena. Hoy izaho: Ho hendry aho; kanjo lavitra ahy izany. | |
Eccl | Mg1865 | 7:25 | Nitodika aho, ka nampiasaiko ny foko hahalala sy handinika ary hitady fahendrena sy izay anton-javatra ary hahafantatra ny faharatsiana ho fahadalana, ary ny fahadalana ho fahaverezan-tsaina; | |
Eccl | Mg1865 | 7:26 | ka hitako fa mangidy noho ny fahafatesana ny vehivavy, izay fandrika sy harato ny fony, sady famatorana ny tànany; nefa izay ankasitrahan’ Andriamanitra dia ho afa-mandositra azy, fa ny mpanota ihany no ho azony. | |
Eccl | Mg1865 | 7:27 | Indro, izany no hitako, hoy Mpitoriteny, raha nandinidinika ny zavatra tsirairay aho mba hahitana izay antony. | |
Eccl | Mg1865 | 7:28 | Izay notadiaviko koa, fa tsy hitako, dia izao: lehilahy iray no hitako ho marina tao amin’ ny arivo; fa tao amin’ ny vehivavy arivo dia tsy nisy hitako na dia iray akory aza. | |