Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
ECCLESIASTES
1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12
Prev Up Next
Chapter 8
Eccl Mg1865 8:1  Iza no toy ny hendry? Ary iza no mahalala izay anton-javatra? Ny fahendren’ ny olona mahamiramirana ny tarehiny, ary voaova ny fahadontoan’ ny endriny.
Eccl Mg1865 8:2  Hoy izaho: Tandremo ny didin’ ny mpanjaka noho ny efa nianianana tamin’ Andriamanitra.
Eccl Mg1865 8:3  Aza malaky miala eo anatrehany; aza mikikitra amin’ ny fanaovan-dratsy; fa na inona na inona sitrany dia azony atao avokoa;
Eccl Mg1865 8:4  fa ny tenin’ ny mpanjaka dia misy hery, ka iza no mahazo manao aminy hoe: Inona no ataonao?
Eccl Mg1865 8:5  Izay mitandrina ny didy tsy mba mikambana amin’ ny fanaovan-dratsy; ary ny fon’ ny hendry dia mahalala fotoana sy fitsarana;
Eccl Mg1865 8:6  fa samy manana ny fotoany sy ny fitsarana azy avy ny hevitra rehetra, satria efa be ny heloky ny olona.
Eccl Mg1865 8:7  Fa tsy mahafantatra izay ho avy izy; fa iza no hampahafantatra azy izay hihaviany?
Eccl Mg1865 8:8  Tsy misy olona manan-kery hahatana ny ainy, na manan-kery ny amin’ ny andro hahafatesana; ary tsy misy fahafahana amin’ ny ady, ary ny ratsy fanahy tsy ho voavonjin’ ny faharatsiany.
Eccl Mg1865 8:9  Izany rehetra izany dia efa hitako avokoa tamin’ ny nampiasako ny foko nandinika ny asa rehetra atao atỳ ambanin’ ny masoandro. Misy andro anapahan’ ny olona ny namany ka ampidirany loza aminy.
Eccl Mg1865 8:10  Ary tamin’ izany dia hitako ny ratsy fanahy nalevina ka tafiditra; fa izay nanao ny marina kosa dia lasa niala tamin’ ny fitoeran’ ny masìna ka nohadinoina tao an-tanàna; zava-poana koa izany.
Eccl Mg1865 8:11  Saingy tsy tanterahina vetivety ny famaliana ny ratsy atao, dia izany no ikirizan’ ny fon’ ny zanak’ olombelona amin’ ny fanaovan-dratsy.
Eccl Mg1865 8:12  Eny, fa na dia manao ratsy injato aza ny mpanota ka ela velona ihany, dia fantatro kosa fa hisy soa ho an’ izay matahotra an’ Andriamanitra, dia izay matahotra eo anatrehany.
Eccl Mg1865 8:13  Fa tsy hisy soa ho an’ ny ratsy fanahy; fa ho toy ny aloka izy ka tsy haharitra ela, satria tsy matahotra eo anatrehan’ Andriamanitra.
Eccl Mg1865 8:14  Izao koa no zava-poana izay atao atỳ ambonin’ ny tany: Misy olo-marina iharan’ izay tokony ho valin’ ny asa ratsy; ary misy olo-meloka mahazo izay tokony ho valin’ ny asa marina; hoy izaho: Zava-poana koa izany.
Eccl Mg1865 8:15  Dia noderaiko ny fifaliana, satria tsy misy mahasoa ny olona atỳ ambanin’ ny masoandro afa-tsy ny mihinana sy ny misotro ary ny miravoravo, ka hisy izany amin’ ny fisasarany mandritra ny andro hiainany, izay nomen’ Andriamanitra azy atỳ ambanin’ ny masoandro.
Eccl Mg1865 8:16  Raha nampiasaiko ny foko hahalala fahendrena sy hahita ny raharaha atao atỳ ambonin’ ny tany (fa misy tsy mahita torimaso na andro na alina),
Eccl Mg1865 8:17  dia hitako avokoa ny asan’ Andriamanitra, fa tsy takatry ny sain’ ny olona ny asa atao atỳ ambanin’ ny masoandro; koa na dia mikely aina hitady izany aza ny olona, tsy ho hitany; eny, na ny hendry aza no manao hahafantatra izany, dia tsy ho azony fantarina akory.