Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
ECCLESIASTES
1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12
Prev Up Next Toggle notes
Chapter 11
Eccl Mg1865 11:1  Atsipazo eny ambonin’ ny rano ny haninao, fa ho hitanao ihany izy rehefa ela.
Eccl Mg1865 11:2  Samy omeo anjara ny fito, ary na dia ny valo aza, fa tsy fantatrao izay fahoriana hanjo atỳ ambonin’ ny tany.
Eccl Mg1865 11:3  Raha feno ranonorana ny rahona, dia halatsany amin’ ny tany izany; ary na mianjera mianatsimo na mianavaratra ny hazo, dia eo amin’ izay ianjerany ihany no handriany.
Eccl Mg1865 11:4  Izay fatra-pihevitra ny rivotra tsy hamafy, ary izay manahy ny rahona tsy hijinja.
Eccl Mg1865 11:5  Toy ny tsy ahafantaranao ny amin’ ny alehan’ ny rivotra, na ny amin’ ny fitombon’ ny taolana ao an-kibon’ izay manan’ anaka, dia toy izany no tsy ahafantaranao ny asan’ Andriamanitra, Mpanao ny zavatra rehetra.
Eccl Mg1865 11:6  Amin’ ny maraina dia afafazo ny voanao, ary amin’ ny hariva dia aza atsahatra ny tananao; fa tsy fantatrao izay ho vanona, na ny teo aloha, na ny teo aoriana, na angamba samy ho vanona avokoa izy roa tonta.
Eccl Mg1865 11:7  Mamy tokoa ny mazava, ary mahafinaritra ny maso ny mijery ny masoandro;
Eccl Mg1865 11:8  fa na dia ela velona aza ny olona, dia aoka ho faly amin’ ny androny rehetra izy ka hahatsiaro ny andro maizina, fa ho maro ireny: izay rehetra ho avy dia zava-poana.
Eccl Mg1865 11:9  Mifalia, ry zatovo, dieny mbola tanora ianao; ary aoka ny fonao hampifalifaly anao amin’ ny andro fahatanoranao; ka mandehana any amin’ izay sitraky ny fonao sy izay jeren’ ny masonao; nefa aoka ho fantatrao fa ho entin’ Andriamanitra hotsaraina ianao amin’ izany rehetra izany.
Eccl Mg1865 11:10  Koa esory ao am-ponao ny alahelo, ary avilio tsy hikasika ny nofonao ny ratsy; fa ny fahatanorana sy ny fahatanjahana dia samy zava-poana.