II CORINTHIANS
Chapter 12
II C | Mg1865 | 12:1 | Tsy maintsy mirehareha aho, na dia tsy mahasoa aza izany; fa handroso hilaza fahitana sy fanambaran’ ny Tompo aho. | |
II C | Mg1865 | 12:2 | Mahalala olona anankiray ao amin’ i Kristy aho, tokony ho efatra ambin’ ny folo taona lasa izay ― na tao amin’ ny tena, na tsy tao amin’ ny tena, tsy fantatro, Andriamanitra no mahalala ― ilay anankiray dia nakarina ho any amin’ ny lanitra fahatelo. | |
II C | Mg1865 | 12:3 | Ary mahalala ilay olona anankiray aho ― na tao amin’ ny tena, na tsy tao amin’ ny tena, tsy fantatro, Andriamanitra no mahalala ― | |
II C | Mg1865 | 12:4 | fa nakarina ho any Paradisa izy ka nandre teny tsy azo tenenina sady tsy tokony holazain’ olona. | |
II C | Mg1865 | 12:5 | Ilay anankiray no hataoko rehareha; fa ny amin’ ny tenako dia tsy hirehareha aho afa-tsy amin’ ny fahalemena ihany. | |
II C | Mg1865 | 12:6 | Fa na dia te-hirehareha aza aho, dia tsy ho adala, fa hilaza ny marina; nefa tsy manao izany aho, fandrao misy olona mihevitra ahy ho mihoatra noho izay ahitany ahy na izay andrenesany ny teniko. | |
II C | Mg1865 | 12:7 | Ary fandrao hirehareha noho ny habetsaky ny fanambarana aho, dia nasiana tsilo tamin’ ny nofo, dia irak’ i Satana hamely ahy, fandrao hirehareha aho. | |
II C | Mg1865 | 12:9 | Nefa hoy Izy tamiko; Ampy ho anao ny fahasoavako; fa ny heriko dia tanterahina amin’ ny fahalemena. Koa mainka sitrako ny hirehareha amin’ ny fahalemeko, mba hitoeran’ ny herin’ i Kristy amiko. | |
II C | Mg1865 | 12:10 | Koa dia finaritra aho amin’ ny fahalemena, amin’ ny fampahoriana, amin’ ny fahaterena, amin’ ny fanenjehana, amin’ ny fahantrana, noho ny amin’ i Kristy; fa ny fahalemeko no fahatanjahako. | |
II C | Mg1865 | 12:11 | Efa tonga adala aho; ianareo no nahatery ahy; fa tokony hoderainareo aho, satria tsy latsaka noho ireo Apostoly ambony indrindra ireo, na dia tsinontsinona aza aho. | |
II C | Mg1865 | 12:12 | Ny famantarana mah’ Apostoly ahy dia natao teo aminareo tokoa tamin’ ny faharetana rehetra, tamin’ ny famantarana sy ny fahagagana ary tamin’ ny asa lehibe. | |
II C | Mg1865 | 12:13 | Fa inona moa no nahalatsaka anareo noho ny fiangonana sasany, afa-tsy ny tsy namakiako tratra anareo? Mamelà ahy ary amin’ izany fahadisoana izany. | |
II C | Mg1865 | 12:14 | Indro, efa fanintelony izao no vonona hankatỳ aminareo aho, nefa tsy hahavaky tratra anareo; fa tsy ny fanananareo no tadiaviko, fa ianareo; fa tsy ny zanaka no tokony hihary ho an’ ny ray aman-dreniny, fa ny ray aman-dreniny no tokony hihary ho an’ ny zanany. | |
II C | Mg1865 | 12:15 | Ary izaho dia faly indrindra handany sy holanina hahasoa ny fanahinareo, na dia araka ny fitombon’ ny fitiavako anareo aza no fihenan’ ny fitiavanareo ahy. | |
II C | Mg1865 | 12:16 | Kanefa, na dia izany aza, izaho tsy nahavaky tratra anareo, fa nanao saina, hono, aho, dia nahazo anareo tamin’ ny fihendrena. | |
II C | Mg1865 | 12:18 | Nangataka an’ i Titosy aho, sady nirahiko nomba azy ilay rahalahy. Moa Titosy va nanao anareo ho vola aman-karena? Tsy fanahy iray ihany va no nandehananay? Tsy iray ihany va no dianay? | |
II C | Mg1865 | 12:19 | Efa ela izay no nanaovanareo anay ho miala tsiny aminareo. Eo anatrehan’ Andriamanitra no itenenanay ao amin’ i Kristy; fa ny zavatra rehetra, ry malala, dia ho fampandrosoana anareo. | |
II C | Mg1865 | 12:20 | Fa matahotra aho, fandrao, rehefa tonga aho, dia hahita anareo ho toy izay tsy tiako, ary ho hitanareo aho ho toy izay tsy tianareo; fandrao hisy fifandirana, fialonana, fiafonafonana, fifampiandaniana, fanaratsiana, fibitsibitsihana, fieboeboana, fikotranana, ― | |