Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
SONG OF SOLOMON
1 2 3 4 5 6 7 8
Prev Up Next Toggle notes
Chapter 6
Song Mg1865 6:1  Nankaiza ny malalanao, ry tsara tarehy amin’ ny vehivavy? Nivily nankaiza ny malalanao? Mba hiarahanay aminao hitady azy.
Song Mg1865 6:2  Lasa nidina ho any an-tsahany ny malalako, dia any amin’ ny tanim-boninkazo misy zava-manitra eo an-tsaha, hiandry ny ondriny eny amin’ ny tanimboly sy hioty ny lilia.
Song Mg1865 6:3  An’ ny malalako aho, ary ahy ny malalako, dia ilay miandry ny ondry andiany eny amin’ ny lilia.
Song Mg1865 6:4  Tsara tarehy tahaka an’ i Tirza ianao, ry tompokovavy havako, eny, tsara tarehy tahaka an’ i Jerosalema, mahatahotra toy ny antokon’ ny miaramila mitondra faneva.
Song Mg1865 6:5  Avilio ny masonao tsy hijery ahy, Fa mampiontanontana ny foko izy; Ny volonao dia tahaka ny osy andiany, izay mandriandry eny ankilan’ i Gileada.
Song Mg1865 6:6  Ny nifinao dia tahaka ny ondrivavy andiany, izay miakatra avy eo amin’ ny fampandroana; Samy kambana avy ireo. Fa tsy misy tsy mana-manana,
Song Mg1865 6:7  Tahaka ny hasin’ ampongabendanitra ny takolakao eo amin’ ny fisalobonanao.
Song Mg1865 6:8  Misy mpanjakavavy enim-polo sy vaditsindrano valo-polo ary zatovovavy tsy hita isa.
Song Mg1865 6:9  Fa iray monja kosa no voromailalako, dia ilay ahy tsy misy kilema, vavy tokan-dreniny sady tsongaina amin’ izay naterany. Ny zazavavy nahita azy ka nanao azy ho sambatra, eny, ny mpanjakavavy sy ny vaditsindrano, ka nidera azy.
Song Mg1865 6:10  Iza moa io vehivavy mitsidika toy ny maraina, izay tsara tarehy tahaka ny volana, madio toy ny masoandro sady mahatahotra toy ny antokon’ ny miaramila mitondra faneva?
Song Mg1865 6:11  Lasa nidina nantany an-tsaha tsara hazo aho, hijerijery ny zava-maitso an-dohasaha, hizaha raha mitsimoka ny voaloboka sy mamony ny ampongabendanitra.
Song Mg1865 6:12  Tsy nampoiziko ny nanandratan’ ny fanahiko ahy ho eo amin’ ny kalesin’ ny fireneko be voninahitra.