ZECHARIAH
Chapter 7
Zech | Mg1865 | 7:1 | Ary tamin’ ny taona fahefatra nanjakan’ i Dariosa no nahatongavan’ ny tenin’ i Jehovah tamin’ i Zakaria, tamin’ ny andro fahefatra tamin’ ny volana fahasivy (Kisleva izany); | |
Zech | Mg1865 | 7:2 | ary Betela efa naniraka an’ i Serezera sy Regema-meleka sy ny olony hifona amin’ i Jehovah | |
Zech | Mg1865 | 7:3 | ka hiteny amin’ ny mpisoron’ ny tranon’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, sy amin’ ny mpaminany hoe: Hitomany amin’ ny volana fahadimy va aho ka hifady toy ny fanaoko tamin’ ny taon-dasa ela? | |
Zech | Mg1865 | 7:5 | Lazao amin’ ny vahoaka rehetra amin’ ny tany sy amin’ ny mpisorona hoe: Raha nifady hanina sy nitomany tamin’ ny volana fahadimy sy ny fahafito tamin’ izao fito-polo taona izao, ianareo moa nifady ho Ahy va ianareo? | |
Zech | Mg1865 | 7:6 | Ary raha mihinana sy misotro ianareo, moa tsy mihinana sy misotro ho an’ ny tenanareo ihany va ianareo? | |
Zech | Mg1865 | 7:7 | Moa tsy tokony ho nihaino ny teny izay nasain’ i Jehovah nantsoin’ ny mpaminany fahiny va ianareo, fony mbola nonenana sy nandry fahizay Jerosalema sy ny zana-bohiny manodidina azy, sady nonenana koa ny tany atsimo sy ny tany lemaka amoron-tsiraka? | |
Zech | Mg1865 | 7:9 | Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Manaova fitsarana marina, ary samia mifampiantra sy mifamindra fo amin’ ny rahalahiny avy; | |
Zech | Mg1865 | 7:10 | ary aza mampahory ny mpitondratena na ny kamboty, na ny vahiny, na ny mahantra; ary aza misy mihevitra ao am-ponareo hanisy ratsy ny rahalahinareo ianareo. | |
Zech | Mg1865 | 7:11 | Nefa tsy nety nihaino ireny, fa nampihemotra ny sorony, ary nataony lalodalovana ny sofiny; mba tsy handre. | |
Zech | Mg1865 | 7:12 | Eny, nanao ny fony ho mafy, toy ny diamondra Izy, mba tsy hihaino ny lalàna sy ny teny izay nampitondrain’ ny Fanahin’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, holazain’ ny mpaminany fahiny, ka dia tonga izay fahatezerana mafy avy tamin’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, | |
Zech | Mg1865 | 7:13 | Koa toy ny niantsoan’ ireny, fa tsy nohenoiny, dia ho toy izany no hiantsoany kosa, fa tsy hohenoiko, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro; | |