Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
II CHRONICLES
Prev Up Next
Chapter 12
II C Mg1865 12:1  Ary Rehoboama, rehefa nampandry ny ny fanjakany sady efa nahery, dia nahafoy ny lalan’ i Jehovah izy sy ny Isiraely rehetra.
II C Mg1865 12:2  Ary tamin’ ny taona fahadimy nanjakan-dRehoboama mpanjaka dia niakatra Sisaka, mpanjakan’ i Egypta, hamely an’ i Jerosalema, fa nivadika tamin’ i Jehovah ny mponina tany,
II C Mg1865 12:3  ary nitondra kalesy roan-jato amby arivo sy mpitaingin-tsoavaly enina alina izy, ary tsy hita isa ny olona izay nanaraka azy avy tany Egypta, dia ny Lobita sy ny Sokita ary ny Etiopiana.
II C Mg1865 12:4  Dia nahafaka ny tanàna mimanda izay any Joda izy ka tonga tany Jerosalema.
II C Mg1865 12:5  Ary Semaia mpaminany tonga tao amin-dRehoboama sy ireo mpanapaka ny Joda, izay tafangona tany Jerosalema noho ny amin’ i Sisaka, ka nanao taminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Hianareo efa nahafoy Ahy, koa Izaho kosa dia mba nahafoy anareo ho eo an-tànan’ i Sisaka.
II C Mg1865 12:6  Dia niaiky ireo mpanapaka ny Isiraely sy ny mpanjaka ka nanao hoe: Marina Jehovah.
II C Mg1865 12:7  Ary nony hitan’ i Jehovah fa niaiky izy, dia tonga tao amin’ i Semaia indray ny tenin’ i Jehovah nanao hoe: Efa niaiky izy, ka dia tsy handringana azy Aho, fa tsy ho ela dia hamonjy azy; ary tsy haidiko amin’ i Jerosalema avy amin’ ny tànan’ i Sisaka ny fahatezerako.
II C Mg1865 12:8  Kanefa ho mpanompony ihany izy, mba hahafantarany ny fanompoana Ahy sy ny fanompoana any amin’ ny fanjakana hafa.
II C Mg1865 12:9  Dia niakatra Sisaka, mpanjakan’ i Egypta, hamely an’ i Jerosalema ka namabo ny rakitry ny tranon’ i Jehovah sy ny rakitry ny tranon’ ny mpanjaka: samy nobaboiny avokoa izy rehetra; ary nobaboiny koa ny ampinga volamena izay nataon’ i Solomona.
II C Mg1865 12:10  Ary Rehoboama mpanjaka nanao ampinga varahina ho solon’ ireny ka nanolotra azy ho eo an-tànan’ ny lehiben’ ny mpiambina, izay niambina ny varavaran’ ny tranon’ ny mpanjaka.
II C Mg1865 12:11  Ary na oviana na oviana no nidiran’ ny mpanjaka tao an-tranon’ i Jehovah, dia avy ny mpiambina naka ireo ka namerina azy ho ao an-tranon’ ny mpiambina indray.
II C Mg1865 12:12  Ary raha nanetry tena izy, dia niala taminy ny fahatezeran’ i Jehovah ka tsy nahalany ringana azy; sady nisy fahatsaram-panahy koa tamin’ ny Joda.
II C Mg1865 12:13  Ary Rehoboama mpanjaka dia nitombo hery tany Jerosalema, ka dia nanjaka; iraika amby efa-polo taona izy, fony vao nanjaka, ary fito ambin’ ny folo taona no nanjakany tany Jerosalema, ilay tanana nofidin’ i Jehovah tamin’ ny firenen’ Isiraely rehetra hampitoerany ny anarany. Ary ny anaran-dreniny dia Nama Amonita.
II C Mg1865 12:14  Ary nanao ratsy izy, satria tsy nampiomana ny fony hitady an’ i Jehovah.
II C Mg1865 12:15  Ary ny tantaran-dRehoboama, na ny voalohany na ny farany, tsy efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ i Semaia mpaminany sy Ido mpahita ny amin’ ny firazanana va izany? Ary niady mandrakariva Rehoboama sy Jeroboama.
II C Mg1865 12:16  Ary Rehoboama lasa nodimandry any amin’ ny razany, dia nalevina tao an-Tanànan’ i Davida izy; ary Abia zanany no nanjaka nandimby azy.