Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
II CHRONICLES
Prev Up Next
Chapter 20
II C Mg1865 20:1  Ary nony afaka izany, dia avy hiady tamin’ i Josafata ny taranak’ i Moaba sy ny taranak’ i Amona mbamin’ ny any ankoatry ny Amonita.
II C Mg1865 20:2  Ary nisy tonga ka nanambara tamin’ i Josafata hoe: Indreo, misy olona betsaka avy any an-dafin’ ny ranomasina, dia avy any Syria, ho avy hiady aminao; ary indreo izy ao Hazezon-tamara (Enjedy izany).
II C Mg1865 20:3  Dia natahotra Josafata ka nanatrika tsara hitady an’ i Jehovah sady niantso andro fifadian-kanina ho an’ ny tanin’ ny Joda rehetra.
II C Mg1865 20:4  Dia niangona ny Joda hangataka famonjena amin’ i Jehovah; eny, avy tamin’ ny tanànan’ ny Joda rehetra hitady an’ i Jehovah izy.
II C Mg1865 20:5  Ary Josafata nitsangana teo amin’ ny fiangonan’ ny Joda sy Jerosalema, Tao amin’ ny tranon’ i Jehovah, teo anoloan’ ny kianja vaovao,
II C Mg1865 20:6  ka nanao hoe: Ry Jehovah ô, Andriamanitry ny razanay, tsy Hianao va no Andriamanitra any an-danitra? Eny, Hianao no manapaka amin’ ny fanjakan’ ny jentilisa rehetra, ary eo an-tananao ny hery sy ny fahefana, ka tsy misy mahasakana Anao.
II C Mg1865 20:7  Ry Andriamanitray ô, tsy Hianao va no nandroaka ny mponina tamin’ ity tany ity hiala teo anoloan’ ny Isiraely olonao ka nanome azy mandrakizay ho an’ ny taranak’ i Abrahama sakaizanao?
II C Mg1865 20:8  Ary nonina tatỳ izy ka nanao fitoerana masìna teto ho an’ ny anaranao sady nanao hoe:
II C Mg1865 20:9  Raha manjo anay ny loza, na sabatra, na famaliana, na areti-mandringana, na mosary, ary hitsangana manatrika ity trano ity sy eto anatrehanao izahay (fa ny anaranao no amin’ ity trano ity) ka hitaraina aminao amin’ ny fahorianay, dia hihaino Hianao ka hamonjy.
II C Mg1865 20:10  Koa indreo ny taranak’ i Amona sy Moaba ary ny avy any an-tendrombohitra, Seïra, dia ilay tsy navelanao hotafihin’ ny Isiraely, fony izy nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta, ka nivily fa tsy nandringana azy;
II C Mg1865 20:11  nefa indreo izy mamaly ratsy anay ka avy handroaka anay amin’ ny lova nomenao anay.
II C Mg1865 20:12  Ry Andriamanitray ô, tsy hitsara azy va Hianao? Fa izahay dia tsy manan-kery hanohitra ireo olona betsaka ireo, izay avy hamely anay, koa tsy hitanay izay hataonay; fa Hianao no andrandrain’ ny masonay.
II C Mg1865 20:13  Ary ny Joda rehetra mbamin’ ny vadiny aman-janany koa dia samy nitsangana teo anatrehan’ i Jehovah.
II C Mg1865 20:14  Ary Jahaziela, zanak’ i Zakaria, zanak’ i Benaia, zanak’ i Jeiela, zanak’ i Matania, Levita amin’ ny taranak’ i Asafa, dia voatsindrin’ ny Fanahin’ i Jehovah teo amin’ ny fiangonana
II C Mg1865 20:15  ka nanao hoe: Mihainoa ianareo, ry Joda rehetra sy ry mponina any Jerosalema, ary ianao, ry Josafata mpanjaka: Izao no lazain’ i Jehovah aminareo: Aza matahotra na mivadi-po ny amin’ ireo olona betsaka ireo, fa tsy anareo ny ady, fa an’ Andriamanitra.
II C Mg1865 20:16  Rahampitso dia midìna hiady aminy ianareo; fa, indreo, hiakatra amin’ ny fiakarana Ziza izy; ary ianareo hahita azy eo amin’ ny faran’ ny lohasahan-driaka tandrifin’ ny efitr’ i Jeroela.
II C Mg1865 20:17  Tsy ianareo anefa no hiady amin’ ity; mijanòna tsara, fa ho hitanareo ny hamonjen’ i Jehovah anareo, ry Joda sy Jerosalema. Aza matahotra na mivadi-po, fa rahampitso dia mivoaha hiady aminy; fa Jehovah no momba anareo.
II C Mg1865 20:18  Dia niankohoka tamin’ ny tany Josafata; ary ny Joda sy ny mponina rehetra tany Jerosalema niankohoka teo anatrehan’ i Jehovah koa ka nivavaka.
II C Mg1865 20:19  Dia nitsangana ny Levita, taranaky ny Kehatita sy taranaky ny Koraïta, mba hidera an’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, tamin’ ny feo mahery indrindra.
II C Mg1865 20:20  Ary nifoha maraina koa izy, dia niainga nankany an-efitr’ i Tekoa; ary nony nivoaka izy, dia nitsangana teo Josafata ka nanao hoe: Mihainoa ahy, ry Joda, sy ianareo, ry mponina eto Jerosalema: Minoa an’ i Jehovah Andriamanitrareo, dia ho tafatoetra ianareo; minoa ny mpaminaniny, dia hambinina ianareo.
II C Mg1865 20:21  Ary rehefa niara-nihevitra tamin’ ny olona izy, dia nanendry mpihira ho an’ i Jehovah hidera amin’ ny fihaingoana masìna, raha mivoaka eo anoloan’ ny olona efa voaomana hiady, ka hanao hoe: Miderà an’ i Jehovah, fa mandrakizay ny famindram-pony.
II C Mg1865 20:22  Ary raha vao nanomboka nihoby sy nidera ireo, dia nasian’ i Jehovah otrika hamely ny taranak’ i Amona sy Moaba sy ny avy any an-tendrombohitra Seïra, izay avy hamely ny Joda, ka dia resy ireo.
II C Mg1865 20:23  Dia nitsangana ny taranak’ i Amona sy Moaba namely ny avy any an-tendrombohitra Seïra ka namono sy nandringana azy; ary nony voaringany ny mponina tany Seïra, dia nifandringana kosa izy samy izy ihany.
II C Mg1865 20:24  Ary nony tonga teo amin’ ilay fitazanana any an-efitra ny Joda, dia nijery ireo olona betsaka ireo izy, koa, indreo, nisy faty niampatrampatra tamin’ ny tany, fa tsy nisy afa-nandositra.
II C Mg1865 20:25  Ary avy hamabo azy Josafata sy ny vahoakany, dia nahita harena betsaka sy faty ary fanaka sarobidy teo izy, ka dia namabo mihoatra noho izay zakany ho entina; ary hateloana no nanangonany ny babo, fa be dia be ireny.
II C Mg1865 20:26  Ary tamin’ ny andro fahefatra dia nivory tao amin’ ny lohasaha Beraka izy, fa tany no nisaorany an’ i Jehovah; koa izany no nanaovany izany tany izany hoe Lohasaha Beraka mandraka androany.
II C Mg1865 20:27  Koa dia niverina ny lehilahy rehetra amin’ ny Joda sy Jerosalema, ary Josafata nitarika azy hankany Jerosalema indray tamin’ ny fifaliana, fa Jehovah nampifaly azy ny amin’ ny fahavalony.
II C Mg1865 20:28  Ary tonga tany Jerosalema izy nitondra valiha sy lokanga ary trompetra ka nankao an-tranon’ i Jehovah.
II C Mg1865 20:29  Ary ny fahatahorana an’ Andriamanitra nahazo ny fanjakana rehetra manodidina, nony efa reny fa Jehovah no niady tamin’ ny fahavalon’ ny Isiraely.
II C Mg1865 20:30  Ary nandry fahizay ny fanjakan’ i Josafata; fa nomen’ Andriamaniny fiadanana tamin’ ny manodidina izy.
II C Mg1865 20:31  Ary Josafata nanjaka tamin’ ny Joda; dimy amby telo-polo taona izy, fony vao nanjaka, ary dimy amby roa-polo taona no nanjakany tany Jerosalema, Ary ny anaran-dreniny dia Azoba, zanakavavin’ i Sily.
II C Mg1865 20:32  Ary nandeha tamin’ ny lalana nalehan’ i Asa rainy izy ka tsy niala tamin’ izany, fa nanao izay mahitsy eo imason’ i Jehovah.
II C Mg1865 20:33  Kanefa ny fitoerana avo tsy mba noravana; fa ny olona tsy mbola nampiomana ny fony hitady an’ Andriamanitry ny razany.
II C Mg1865 20:34  Ary ny tantaran’ i Josafata sisa, na ny voalohany na ny farany, indro, efa voasoratra ao amin’ ny tenin’ i Jeho, zanak’ i Hanany, izay nakambana ao amin’ ny bokin’ ny mpanjakan’ ny Isiraely, izany.
II C Mg1865 20:35  Nefa nony afaka izany, Josafata, mpanjakan’ ny Joda, nikambana tamin’ i Ahazia, mpanjakan’ ny Isiraely, izay nanao ratsy;
II C Mg1865 20:36  ary nikambana taminy hanao sambo hankany Tarsisy izy, ka tao Ezion-gebera no nanaovany azy.
II C Mg1865 20:37  Ary Eliezera, zanak’ i Dodavaho, avy any Maresa, naminany ny amin’ i Josafata hoe: Noho ny nikambananao tamin’ i Ahazia dia horavan’ i Jehovah ny asanao. Ary nahavakiana ny sambo ka tsy nahazo nankany Tarsisy.