II CHRONICLES
Chapter 12
| II C | Mg1865 | 12:1 | Ary Rehoboama, rehefa nampandry ny ny fanjakany sady efa nahery, dia nahafoy ny lalan’ i Jehovah izy sy ny Isiraely rehetra. | |
| II C | Mg1865 | 12:2 | Ary tamin’ ny taona fahadimy nanjakan-dRehoboama mpanjaka dia niakatra Sisaka, mpanjakan’ i Egypta, hamely an’ i Jerosalema, fa nivadika tamin’ i Jehovah ny mponina tany, | |
| II C | Mg1865 | 12:3 | ary nitondra kalesy roan-jato amby arivo sy mpitaingin-tsoavaly enina alina izy, ary tsy hita isa ny olona izay nanaraka azy avy tany Egypta, dia ny Lobita sy ny Sokita ary ny Etiopiana. | |
| II C | Mg1865 | 12:5 | Ary Semaia mpaminany tonga tao amin-dRehoboama sy ireo mpanapaka ny Joda, izay tafangona tany Jerosalema noho ny amin’ i Sisaka, ka nanao taminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Hianareo efa nahafoy Ahy, koa Izaho kosa dia mba nahafoy anareo ho eo an-tànan’ i Sisaka. | |
| II C | Mg1865 | 12:7 | Ary nony hitan’ i Jehovah fa niaiky izy, dia tonga tao amin’ i Semaia indray ny tenin’ i Jehovah nanao hoe: Efa niaiky izy, ka dia tsy handringana azy Aho, fa tsy ho ela dia hamonjy azy; ary tsy haidiko amin’ i Jerosalema avy amin’ ny tànan’ i Sisaka ny fahatezerako. | |
| II C | Mg1865 | 12:8 | Kanefa ho mpanompony ihany izy, mba hahafantarany ny fanompoana Ahy sy ny fanompoana any amin’ ny fanjakana hafa. | |
| II C | Mg1865 | 12:9 | Dia niakatra Sisaka, mpanjakan’ i Egypta, hamely an’ i Jerosalema ka namabo ny rakitry ny tranon’ i Jehovah sy ny rakitry ny tranon’ ny mpanjaka: samy nobaboiny avokoa izy rehetra; ary nobaboiny koa ny ampinga volamena izay nataon’ i Solomona. | |
| II C | Mg1865 | 12:10 | Ary Rehoboama mpanjaka nanao ampinga varahina ho solon’ ireny ka nanolotra azy ho eo an-tànan’ ny lehiben’ ny mpiambina, izay niambina ny varavaran’ ny tranon’ ny mpanjaka. | |
| II C | Mg1865 | 12:11 | Ary na oviana na oviana no nidiran’ ny mpanjaka tao an-tranon’ i Jehovah, dia avy ny mpiambina naka ireo ka namerina azy ho ao an-tranon’ ny mpiambina indray. | |
| II C | Mg1865 | 12:12 | Ary raha nanetry tena izy, dia niala taminy ny fahatezeran’ i Jehovah ka tsy nahalany ringana azy; sady nisy fahatsaram-panahy koa tamin’ ny Joda. | |
| II C | Mg1865 | 12:13 | Ary Rehoboama mpanjaka dia nitombo hery tany Jerosalema, ka dia nanjaka; iraika amby efa-polo taona izy, fony vao nanjaka, ary fito ambin’ ny folo taona no nanjakany tany Jerosalema, ilay tanana nofidin’ i Jehovah tamin’ ny firenen’ Isiraely rehetra hampitoerany ny anarany. Ary ny anaran-dreniny dia Nama Amonita. | |
| II C | Mg1865 | 12:15 | Ary ny tantaran-dRehoboama, na ny voalohany na ny farany, tsy efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ i Semaia mpaminany sy Ido mpahita ny amin’ ny firazanana va izany? Ary niady mandrakariva Rehoboama sy Jeroboama. | |